• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tratra ilay olona namono an’i Mirado, zazalahy 15 taona

12/09/2023 19:41 © Moov.Mg

Zazalahy vao 15 taona monja no hita faty teny amin’ny tendrombohitr’i Tsiankaranosy, kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza, roa herinandro lasa izay. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity zazalahy ity raha jerena ny vata-mangatsiakany.

Vola ho takalon’ny ain’i Mirado

Raha atao ny jery todika dia ny 02 septambra lasa teo no nanomboka tsy hita i Mirado. Tokony tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any izy no nirahana handeha hividy kafe tamin’io andro io, saingy tsy niverina intsony.
Taorian-kelin’ny tsy fahitana an’i Mirado dia nisy nandefa hafatra tamin’ny finday ny ray aman-dreniny izay nitaky vola nitentina 1 500 000 ariary ho tambin’ny ainy. Tsy ela fa ny ampitson’io fotoana tsy nahitana azy io anefa dia efa ny vata-mangatsiakany sisa no hitan’ireo fokon’olona teny amin’ny toerana voatondro tetsy ambony.

Niaiky ny helony

Nosokafan’ny zandary avy eo amin’ny Poste Avancée Mahazaza sy ny Brigade Mahitsy fanadihadiana taorian’izany raharaha rehetra izany. Olona iray no tratra tamin’izany, izay tsy iza fa lehilahy iray efa mpamerin-keloka. Araka ny fantatra dia vao avy namita sazy nandritra ny 15 taona tany Antanimora ity lehilahy ahiana ho tompon’antoka tamin’izao vono olona mahatsiravina izao.
Araka ny vaovao nampitain’ny Compagnie de Gendarmerie Ambohidratrimo hatrany dia efa niaiky ny helony ilay lehilahy voasambotra ary hatolotra ny fitsarana etsy Anosy aorian’ny fanadihadiana rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires