• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Vatovavy : Nitarina ny tambazotran’ny Jirama

12/09/2023 19:32 © Moov.Mg

Mbola manohy ny asa fanitarana ny fampisitrahana herinaratra ho an’ireo tokatrano rehetra manerana ny Nosy ny Jirama ankehitriny. Anisan’ny misitraka izany fanitarana izany ny faritra Vatovavy.

Fanitarana ny tambazotra

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa LEAD sy PNR ny asa fanitarana ny tambazotran’ny Jirama. Anisan’ireo faritra mpisitraka ny tetikasa izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola i Vatovavy. Raha tsiahivina dia iray volana izay no natomboka ny asa fanitarana ny tambazotran’ny Jirama, any amin’iny faritra iny. Andrin-jiro Basse Tension (BT) sy Moyenne Tension (MT) miisa 346 ary no hapetraka ao Mananjary, raha toa ka 21 izany ho an’i Nosy Varika.
Ny tapaky ny volana Oktobra ho avy izao ihany koa no heverina ho vita ny fametrahana ny vata mpanova herinaratra (Transformateurs) miisa 14 ao Vatovavy. Ankoatra ireo asa fanamboarana andrin-jiro dia tafiditra ao anatin’ny fanatsarana sy ny fanitarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra any an-toeana ihany koa izao fametrahana vata mpanova herinaratra izao.

Fanatsarana ny tolotra

Tsy Vatovavy ihany no faritra hisitraka ity tetikasa ity. Anisan’ireo hahazo tombotsoa amin’izany ihany koa ny faritra Avaratra Andrefana ary ny Atsimon’ny Nosy. Vinavinaina ho malagasy miisa roa tapitrisa eo ho eo no hahazo tombony, ka hisitraka herinaratra avy amin’ny Jirama amin’ny alàlan’ity tetikasa ity. Andrin-jiro miisa 34 000 BT sy MT no amboarina, ary lignes BT sy MT mirefy 1 600 km ihany koa hapetraka. Ankoatra izay dia vata mpanova herinaratra miisa 650 no ihany ko no hapetraka.
Anisan’ny mbola mampikaikaika ny vahoaka ny resaka fisitrahana herinaratra. Mila manomana hatrany amin’ny 300 000 ariary tokoa mantsy amin’ny ankapobeny vao afaka mampiditra jiro bt tokatrano iray. Anisan’ny vahaolana nentin’ny Jirama sy ny ministera mpiahy manoloana izany ny fametrahana sy ny fanatontosana ny tetikasa Branchement Mora. Tanjona amin’izany ny hanamorana ny fisitrahan’ny tokatrano tsirairay avy herinaratra.

Lire la suite

Articles Similaires