• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Miroso ny asa fanovana rafitra ara-tsakafo

12/09/2023 18:08 © Moov.Mg

Anisan’ny olana goavana mbola hatrehan’i Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisan’ny fototra iray miteraka izany ny tsy fahampian’ny vokatra eto an-toerana fa ihany koa ny tsy fananan’ny tantsaha fahafahana mampiakatra ny vokatra izay vokariny.

Fiovana rafitra

Tafiditra ao anatin’ireo tanjona napetraky ny eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Fomba enti-miady iray lehibe hahatratrarana izany indrindra ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo. Nisy araka izany ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika izany, izay nahafahana nijery ny fomba hanohizana ireo fikarohana mitodika amin’io fiovana rafitra io.
Raha tsiahivina dia anisan’ireo firenena 182 isa nandray anjara tamin’ny Fihaonana an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny rafitra ara-tsakafo izay natao ny volana jolay lasa teo i Madagasikara. Tamin’io fotoana io ihany koa no efa nanoloran’ny ministra Ramilison Harifidy ny fandrosoan’ny tondrozotra nasionaly ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo eto amin’ny firenena.
Notohizana tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity ary ny asa fanovana izany rafitra izany. Tonga nanotrona ny atrik’asa ireo mpisehetra rehetra ao anatin’ny rafitra ara-tsakafo manerana ny Nosy. Nandray anjara tamin’ny fotoana ihany koa ny ministera mpiahy, ny FAO, ny Shamba Center for Food & Climate ary ny Institut International de la Recherche sur les Politiques Alimentaires.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tanjona amin’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo, izay iombonan’ny firenena an-jatony maro maneran-tany ny hahatratra ny atao hoe fahavitan-tena ara-tsakafo. Raha ho an’i Madagasikara manokana dia mbola alavitra ny làlana. 50% ny zaza latsaky ny 5 taona no mbola miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Anisany antony iray miteraka izany ny tsy fahampiana ara-tsakafo izay miseho ihany koa amin’ny alàlan’ny tsy fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mifampiankina tanteraka, araka izany, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo. « Tokony hiasa tsy misy hatak’andro intsony isika hiady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Ny fanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia antoka lehibe hahafahan’ny Malagasy tsirairay mamoaka ny otrikery hananany entiny mampandroso an’i Madagasikara ». hoy ny Sekretera Jeneralin’ny ministera, Raharinomena Fanja, nanamafy.

Lire la suite

Articles Similaires