• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ville D'Aigle
Image
Vaovao

Fanaraha-maso ny fifidianana : nomena fiofanana ny firaisamonim-pirenena

12/09/2023 15:25 © Moov.Mg

Solontenan’ny firaisamonim-pirenena nahazo fankatoavana hanara-maso ny fifidianana miisa 72 no miatrika fiofanana androany.

Ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) sy ny Fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana (PNUD) no mikarakara izany.

Fandalàna ny zo sy ny demokrasia

Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fifidianana ny firaisamonim-pirenena. Isan’ny asa fototra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny fifidianana, mba hizotra tsara ao anatin’ny fandalana ny zon’ny tsirairay sy ny fanajana tanteraka ny lalàna mifehy ny demokrasia. Androany, araka izany, dia nampahafantarina ireto solontenan’ny firaisamonim-pirenena nahazo fankatoavana ireto, hoe : aiza ho aiza ny zotram-pifidianana ankehitriny. Nampahatsiahivina azy ireo ihany koa ireo karazana didy aman-dalana manan-kery momba izany zotram-pifidianana izany sy ny momba ny asa fanaraha-maso hotanterahin’izy ireo, mandritra ny zotram-pifidianana manontolo. Tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fomba tokonyentin’izy ireo miatrika izay tranga mety hisy sy hanarina ny lesoka, ary koa ny momba ny fanaovana tatitra, hahafahana manenjika ny tsy fanarahan-dalàna mety hiseho mandritra ny tontolo androm-pifidianana.

Mitovy fahalalana

Misy amin'ireto mpisehatra miofana ireto no efa manana traikefa amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Misy amin’izy ireo koa anefa no sambany vao handray andraikitra amin’izany. Izao fampiofanana izao, noho izany, dia manana tanjona ny hampitovy lenta ny fahalalan’ireto solontenan’ny firaisamonim-pirenena ireto. Any amin’ny faran’ny fiofanana dia hisy tondrozotra iraisana hiaraha-mamoaka, mba ho entin’ireo mpanara-maso ny fifidianana miatrika an-tsakany sy an-davany ny adidiny.

Voaresaka nandritra izao fiofanana izao ihany koa ny momba ny fiarovana tokony hositrahan’ireo mpanara-maso ny fifidianana, izay indraindray mety ho tratran’ny antsojay avy amin’ny andaniny na ny ankilany amin’ireo kandida na ny mpomba azy.

Lire la suite

Articles Similaires