• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Afd
Image
Vaovao

Fiovaovan’ny toetr’andro : ny vehivavy no miharitra ny mafy indrindra

12/09/2023 11:57 © Moov.Mg

Vehivavy sy ankizivavy miisa 340 tapitrisa, izany hoe : ny 8%-n’ny vehivavy maneran-tany, no hiaina ao anaty fahantrana lalina mandrapahatongan’ny taona 2030, raha mitohy izao zava-mitranga maneran-tany izao, araka ny tatitra vao navoakan’ny Firenena Mikambana. Vehivavy 1 amin’ny 4 ihany koa no ho tratran’ny tsifanjariantsakafo antonony na mahery vaika.

Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy

« Fivoarana ho fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy mifantoka amin’ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy » (Progrès vers la réalisation des Objectifs de développement durable : Gros plan sur l’égalité des sexes) no lohahevitr’ity fanadihadiana ity, izay nataon’ny Firenena Mikambana misahana ny vehivavy sy ny departemanta misahana ny raharaha ara-toekarena eo anivon’ny Firenena Mikambana. Mivoaka isan-taona izy ity ary tanjon’ny fanadihadiana ny hamaritana ny ezaka vita sy ny mbola hotratrarina momba ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy, eo anatrehan’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD).

Fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Tamin’ity indray mitoraka ity vao nisy fifantohana tamin’ny maha-lahy na maha-vavy, tao anatin’ny sokajy fiovaovan’ny toetr’andro, tao anatin’ity fanadihadiana ity. Nivoitra tamin’izany fa raha mitohy ny zava-misy iainana amin’izao dia hiampy 158,3 tapitrisa ny isan’ny vehivavy sy ankizivavy ho tafalatsaka ao anaty fahantrana lalina. Latsaka 16 tapitrisa amin’io kosa ny isan’ny lehilahy sy ankizilahy mety hiaina fahantrana lalina. Maneho izany fa ny vehivavy no miharitra ny mafy kokoa amin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Herisetra ara-nofo

Ho an’i Madagasikara manokana dia efa nisy ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Global Studies Institute avy amin’ny oniversiten’i Kalifôrnia any Etazonia, tamin’ny taona 2020, mba hanaraha-maso ny fiantraikan’ny hain-tany any Atsimo, amin’ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina. Raha ny nambaran’ireo nohadihadiana tamin’izany dia isan’ny nampiakatra ny tahan’ny herisetra mahazo ny vehivavy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Na tamin’ny fotoana mbola tsy nisian’ny hain-tany mafy be aza dia efa ambony ny tahan’ny herisetra mahazo ny vehivavy any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny. Mahatratra 16%, ohatra, ny tahan’ny herisetra ara-nofo raha toa ka 7% ny taha ankapoben’izany manerana an’i Madagasikara.

Asam-behivavy

Nanjary nihamafy kokoa ny fanatanterahana ireo asa voasokajy ho « asam-behivavy » ao an-tokantrano, noho ny hain-tany. Isan’izany, ohatra, ny tsaka rano. Mitarika herisetra ataon’ny lehilahy amin’ny ankizivavy sy ny vehivavy anefa ny tsy fahavitan’izany raharaha izany araka ny fotoana hiheverany azy. Ny 47%-n’ny olona nohadihadiana no nanamafy io fiakaran’ny tahan’ny herisetra noho ny hain-tany io. Etsy an-daniny anefa, dia miezaka mihafy ny ankamaroan’ny vehivavy, mba hiadiana amin’ny hanoanana eo anivon’ny tokantranony, hany ka mampihena ny anjara sakafony ny renim-pianakaviana, mba hahafahan’ny zanany mihinana ara-dalàna.

Raha ny tomban’ity tatitry ny Firenena Mikambana ity dia 360 miliara amin’ny vola dôlara no ilaina mba hanafainganana ny firosoana mankany amin’ny fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy sy ny fampahaleovan-tenan’ny vehivavy maneran-tany, hatramin’ny taona 2030.

Lire la suite

Articles Similaires