• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar
Image
Vaovao

Lisi-pifidianana : Hanara-maso akaiky ireo « suspicions de doublons » 4 000 isa ny CENI

12/09/2023 10:18 © Moov.Mg

Lesoka nalaza, nandritra ny fifidianana 2018, ny momba ny fisian’ireo anarana miverimberina tao anaty lisi-pifidianana, na ilay antsoina hoe : « doublons ». Maro ny miahiahy ny amin’ny mety mbola hiverenan’izany ao anatin’ity lisi-pifidianana vao navaozina ity.

Ny fitsirihana nataon’ny iraky ny Vondron’ny tany tany miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF) rahateo dia nahita fa nisy 11.000 isa ny « doublons » tao anatin’ny lisi-pifidianana. Nitondra fanazavana momba izay i Andrianarisedo Retaf Arsène Dama, filohan'ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), omaly.

Misy mason-tsivana

Nomena malalaka ny OIF, araka ny nambarany, hitsirika ny lisitry ny mpifidy, ary marina tokoa fa nahita fiverimberenan’anarana niisa 11.000 izy ireo. Fa rehefa tena natao ny fijerena akaiky, dia ny 7.000 tamin’ireo no tena voaporofo fa tena « doublons ». Misy mason-tsivana maromaro mantsy no azo amaritana ny atao hoe : « doublons », ka tokony feno aloha ireo, dia ny fitovian’ny anarana, fanampin’anarana, adiresy, laharan’ny karapanondro, ny anaran’ny ray aman-dreny, izay vao azo lazaina fa tena olona iray tokoa no voasoratra amin’ny biraom-pifidianana samy hafa.

Antanan-tohatra roa

Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny CENI dia misy antanan-tohatra roa ny fomba fanaovan’ity vaomiera ity fitsirihana. Misy no hitan’ny eny anivon’ny distrika, raha toa ka olona voasotra ao anaty lisi-pifidianana amin’ny fokontany roa samy hafa, fa ao anaty distrika iray. Misy kosa dia ny eny anivon’ny CENI foibe vao mahita azy, raha toa ka olona voasoratra anaty lisi-pifidianana amin’ny faritra roa samy hafa, ohatra. Rehefa nodiovina ary ny lisitra, taorian’ny fitsirihan’ny OIF, dia ireo 7.000 ireo no hita, fa ny 4.000 kosa dia ahiahiana ho anarana miverimberina, na ilay antsoina hoe : « suspicions de doublons ». Ny antony dia satria ny anarana no mitovy, ary zavatra mety hitranga izany, hoy i Dama Arsène Andrianarisedo, fa tsy feno kosa ireo mason-tsivana hafa.
Tsy azo atao ny tonga dia mamafa ireo anarana ireo, fa sao manjary tsy mampisitraka ny olom-pireneny ny zony hifidy raha manao izany, hoy ny fanazavana. Na izany aza anefa dia nanome toky ny filohan’ny CENI fa hanara-maso akaiky ireo anarana 4.000 isa miverimberina ireo, sao misy mifidy in-droa tokoa.

Lire la suite

Articles Similaires