• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny herinandron’ny 04 hatramin’ny 10 Septambra

11/09/2023 20:13 © Moov.Mg

Nisongadina manokana nandritra iny herinandro lasa iny ny vaovao teo amin’ny lafiny ara-politika. Kandidà maro mantsy no nanatitra taratasy ho firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena. Tsy adino ny fitsarana izay natrehan'i Romy Andrianarisoa, talen'ny kabinetra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha.

Raharaha Romy : “Tsy meloka aho”

Nitsipaka ny fiampangana azy manoloana ilay raharaha kolikoly izay nampifangidotra azy sy ny orinasa anglisy Gemfields i Romy Andrianarisoa. Raha tsiahivina dia voaroiroy ho nangataka tsolitra mitentina 260 000 euros sy fahazoana ampahany 5% amin’ny fitrandrahana izay ho ataon’io orinasa eto Madagasikara ity talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika teo aloha ity, sy ilay teratany frantsay Philippe Tabuteau.
Ny 08 septambra lasa teo no voaantso manoloana ny Crown Court de Southwark i Romy Andrianarisoa. Ho fiarovany ny tenany dia nilaza izy fa “tsy meloka”, ary nandà ireo fiampangana rehetra natao azy. Ny volana febroary 2024 kosa no hiakatra fitsarana ny raharaha.

Andry Rajoelina : Anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena

Anisan’ireo kandidà hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena mandritra ny dimy taona manaraka indray i Andry Rajoelina. Ny 06 Aogositra teo no nilazany ampahibemaso ny firotsahany tao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena Mahamasina. “Vonona ny tenako hanolo-tena indray ho an’ny Tanindrazana ary hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena indray” hoy i Andry Rajoelina nandritra ny lahateny izay nataony.
Ny 09 Septambra lasa teo, araka izany no nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pitondrany. 60 andro mialohan’ny daty voatondro hanatanterahana ny fifidianana tokoa mantsy no tokony miroso amin’ny fametram-pialany ny filoha amperinasa raha toa ka mbola mikasa ny hirotsaka hofidiana.

Fitondrana vonjimaika : Ny Praiministra Ntsay Christian no hanohy ny fitantanana

Ny zoma 08 septambra lasa teo no nanao veloma ireo mpikambana ao amin’ny governemanta i Andry Rajoelina, taorian’ny filan-kevitry ny governemanta. I Razafimahefa Herimanana, filohan’ny Antenimierandoholona no tokony mitantana vonjimaika ny firenena mandritra ny fametrahana ny filoham-pirenena vaovao, raha ny làlam-panorenana no jerena. Nametraka taratasy teny anivon’ny HCC anefa ny tenany ny 08 septambra lasa teo, izay manambara fa mandà tsy hisahana izany andraikitra izany ny tenany.
Fiaraha-mitàntana eo amin’ny governemanta araka izany no hitondrana ny firenena mandritra ny fotoana voafetra, izay ny Praiministra Ntsay Christian no lehibeny, izay faritan’ny fanapahana laharana faha 12 – HCC/D3 ny 09 Septambra 2023.

Fitokanana maro sosona no namaranany ny fotoam-pitondran'i Andry Rajoelina

Nanamarika ny andro farany amin’ny maha filoham-pirenena amperinasa an’i Andry Rajoelina ny fitokanany ireo fotodrafitrasa isan-karazany. Anisan’ireo fotodrafitrasa lehibe notokanany tamin’izany ireo Trano Mora miisa 135 izay najoro ao Ivato ka mitondra ny anarana hoe Lake Village Ivato. Nandritra ny fitokanana ireo trano mora dia nametraka fanamby hafa indray ny tenany ary nilaza fa mbola hisy trano fonenana 580 vaovao hajoro hanampy ireo efa natsangana.
Nihazo an’iny faritra Alaotra Mangoro iny ihany koa ny tenany ny sabotsy lasa teo. Nandritra ny diany tany an-toerana no nirosoany tamin’ny fanokanana ny làlam-pirenena faha-44 (RN44). Raha tsiahivina dia anisan’ireo fotodrafitrasa nanaovany fanamby ny fahavitan’ity làlam-pirenena ity. Notokanana nandritra io tontolo andron’ny 09 septambra io koa ohatra ny “parc solaire” Antanambehivavy Ambohimandroso tao Alaotra Mangoro.

Famoizana ain’olona nandritra ny lalaon’ny Nosy : Teny Iavoloha no natao ny famangina

Noraisin’i Andry Rajoelina mivady tao amin’ny làpam-panjakana Iavoloha ny zoma lasa teo ny fianakavian’ireo namoy ny ainy noho ny voina niseho teo amin’ny Kianjan’ny Barea ny 25 aogositra lasa teo. Ampahatsiahivina fa olona 13 no namoy ny ainy ary maherin’ny 80 no naratra vokatry ny fifanosehana teo amin'ny vavahady nandritra ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosy. Nandray ireo manamanjo ary nanantitra ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakavian’ireo namoy ny ainy, araka izany izy mivady ireto.

Festkite : Mampiroborobo ny fizahantany

Notontosaina tany amin’iny faritr’i Sakalava iny ny hetsika Festkite. Nanomboka ny zoma teo ny korana ary tsy nifarana izany raha tsy omaly alahady. Anisan’ireo hetsika ara tohanan’ny ministeran’ny fizahantany ny Festike noho izy manome lanjany ny sehatry ny fizahantany. Raha tsiahivina dia hetsika ara-panatanjahantena miompana amin’ny kitesurf izy ity, ary mahasarika teratany vahiny maro.
Tonga maro any an-toerana mandray anjara mavitrika amin’ny fifaninana araka izany ireo teratany vahiny, sy ireo Malagasy mpandala ity taranja ity. Fotoana iray lehibe ho an’iny faritra iny ny fisian’ity hetsika festikite ity satria ahafahan’izy ireo manandratra avo sy manome lanja ny fizahantany.

Laura Rasoanaivo : Tompon-daka manerana an’i Afrika amin’ny Judo

Nibata ny amboara indray i Laura Rasoanaivo tany amin’ny Championnat d’Afrique de Judo. Ny tenany no laharana voalohany tamin’ny sokajy Sénior, latsaky ny 70 kilao. Tsy mitsahatra ny manandratra avo an’i Gasikara ity mpilalao iray ity.

Lire la suite

Articles Similaires