• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kolo Tv
Image
Vaovao

Fiaraha-mitantana ny firenena : Tsy azo terena ny olona tsy mazoto, hoy Rakotoarisoa Florent

11/09/2023 19:52 © Moov.Mg

Mbola mitana ny sain’ny maro ny nandraisan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny fanapahana, fa Fiaraha-mitantana eo amin'ny Governemanta no mitondra ny firenena, mandrapandraisan’izay ho filoha vaovao ny andraikiny, roa andro aty aorian’ny nivoahan’izany fanapahan-kevitra izany.

Nitondra fanazavana mahakasika izany Rakotoarisoa Florent, filohan’ny HCC, androany, rehefa nanotrona ny fisarihana ny laharana ofisialin’ireo kandida, teny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI).

Taratasy fandavana

Raha ny nambarany dia taratasy fandavana (lettre de renonciation) no voarain’ny HCC avy amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa. Tao anatin’izany no nilazany fa tsy afaka ny handray io andraikitra lehibe ankinina aminy io izy, noho ny antony manokana, izay tsy nohazavainy. Araka ny nambaran’i Florent Rakotoarisoa dia tsy niantso, na nanadihady ny filohan’ny Antenimierandoholona ny HCC taorian’izany. Sarotra ho an’ny HCC ny hilaza fa tsy manan-kery izany taratasy fandavana izany satria « tsy fantatra izay mety ho fomba hitondran'ny olona efa tsy mazoto ny firenena, raha toa ka hoterena izy », hoy Rakotoarisoa Florent.

Lalàmpanorenana andininy faha-46 sy 52

Etsy an-daniny dia nanamafy ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa efa noeritreretina, nandritra ny fotoana namolavolana ny Lalàmpanorenana 2010, ny tranga tahaka izao, antony nametrahana ireo andinin-dalàna faha-46 sy 52. Voalaza ao amin’ny andininy faha-46 fa raha milatsaka hofidiana ny filohan’ny Repoblika dia « ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny anjara raharahan’ny Filohan’ny Repoblika andavanandro mandra-panolorana ny fahefana amin’ny Filoha vaovao. Raha toa ny Filohan’ny Antenimierandoholona ka milatsaka hofidina ihany koa, dia
iarahan’ny Governemanta misahana ny asan’ny Filoham-panjakana. » Hita ao amin’ny andininy faha-52 kosa, fa « Raha misy tsy fahafahana miasa manjo ny Filohan’ny Antenimierandoholona hita fototry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia iarahan’ny Governemanta manontolo misahana ny asan’ny Filoham-panjakana ».

Mampahatsiahy ny tantara

Ny tsy fisian’ny andinin-dalàna tahaka ireo no nahatonga antsika niditra tamin’ny tetezamita, hoy ny filohan’ny HCC, nampahatsiaro ny tantara. Raha tsiahivina tokoa mantsy, ny 17 martsa 2009 dia nanolotra ny fahefana feno ho an’ny Komitim-pitondrana miaramila, izay nahitana ireo manamboninahitra jeneraly ambony laharana indrindra, i Marc Ravalomanana, rehefa nihanafana ny toe-draharaham-pirenena. Ireo indray dia namindra ny fahefana tany amin’i Andry Rajoelina, ka nirosoana ny fitondrana avon’ny tetezamita. Ny hisorohana ny tranga toy izany, raha ny fanazavan-dRakotoarisoa Florent, no nahatonga ny fanapahan-kevitra hametraka ny « direction collégiale ».

Hatreto, na misy aza ny fimenomenomana ambadika ataon’ireo kandida sasany dia tsy misy kosa ny tena fanehoan-kevitra na hetsika manohitra iny fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC iny.

Lire la suite

Articles Similaires