• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar Tourisme
Image
Vaovao

Tetibola ho an’ny fifidianana : 10 miliara ariary sisa no tsy feno

11/09/2023 19:47 © Moov.Mg

Isan’ny nahatonga fanahiana ny amin’ny mety tsy hahatontosa ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity, ny momba ny teti-bola natokana ho amin’izany, na teo amin’ireo naniry ny hilatsaka hofidiana, na teo amin’ny mpifidy.

Efa milamina anefa ny momba io, hoy i Dama Arsène Andrianarisedo, filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) androany, ka tsy misy tokony hanakantsakana ny fifidianana.

Kitapo iombonana

Raha ny voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra (LFI) ho an`ny taona 2021 dia 40.992.000.000 Ar ny teti-bola natokan’ny Fanjakana Malagasy hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Iaraha-mahalala fa tsy ampy io, raha ny vinavinan’ny CENI. Efa misy kosa ny famatsiam-bola ny fifidianana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, amin’ny alalan’ny « Basket fund ». Ny Vondrona Eoropeanina izao, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny CENI, dia efa nandrotsaka iray tapitrisa euro. Tahaka izany koa i Frantsa. I Etazonia kosa dia efa nanolotra 500 000 dolara ao anatin’izany kitapo iombonana izany.

Mangarahara tanteraka

Etsy an-daniny, misy amin’ireo mpiara-miombon’antoka no namatsy vola ivelan’ny « basket fund », toa an’i Korea Atsimo, izay nanome vola manodidina ny 125 tapitrisa dôlara hividianana fitaovana ara-infôrmatika. Ny firenena japoney ihany koa dia efa nanolotra efatra miliara ariary mahery, hividianana fiarakodia sy moto mba hampiasaina amin’ny fanatontosana ny fifidianana. Santionany amin’ny sorabola notanisain’i Dama Arsène Andrianarisedo ihany ireo, ho valin-teny tamin’ny fanamarihana nataon’ny solombavambahoaka voafidy tao Vangaindrano, Johasy Eléonore, ny momba ny tokony hampangarahara tanteraka ny vola ampiasaina ho an’ny fifidianana.

Fihaonana amin’ny praiminisitra
Tetsy an-danin’izay dia nanamarika ny filohan’ny CENI fa efa eo am-pelatanan’ity vaomiera ity ny vola folo miliara ariary fanampiny avy amin’ny governemanta, ho fanampiana ny tetibola teo aloha. Mbola tsy mihidy ihany koa ny « basket fund », ka tsy tokony ahiana ny tsy haha-ampy ny tetibolam-pifidianana filoham-pirenena. Amin’izao fotoana izao dia mbola banga 10 hatramin’ny 13 miliara ariary eo ho eo io tetibola io, saingy ny governemanta no mameno azy, raha sanatria tsy tratra izany. Hisy moa, araka ny voalazan’ny filohan’ny CENI, ny fifanatonana eo aminy sy ny praiminisitra Ntsay Christian, raha vantany vao tafaverina avy any Afrika Atsimo, toerana hanontana ny biletà tokana izy. Hampahafantarina ny filohan’ny governemanta amin’izany ny antsipirian’ny tetibolam-pifidianana sy izay mety ho mbola tsy feno, ahafahan’ny governemanta mameno azy.

Lire la suite

Articles Similaires