• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Biletà tokana : Any Afrika Atsimo no hatonta

11/09/2023 19:22 © Moov.Mg

Fifidianana 2023 : Nanainga ho any Afrika Atsimo, androany ihany, taorian’ny fisarihana ny laharan’ireo kandida ao anaty biletà tokana, ny CENI, nitondra ny endrika lasitry ny biletà tokana.

Etsy an-daniny dia mitohy ny asa rehetra sahanin’ny CENI, ho fanomanana ny fifidianana.

Nanainga androany hariva

Ny filohan’ny CENI, Andrianarisedo Retaf Arsène Dama, no mitarika ny delegasiôna handeha ho any Afrika Atsimo. Araka izany dia any no hanontana ireo biletà tokana hampiasaina mandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ity taona ity. Mandritra izany fotoana izany dia mbola mitohy foana ny fahafahana mijery ny anaran’ny mpifidy sy ny biraom-pifidianana ao anatin’ny tranonkalan’ny CENI, araka ny fanamarihana nataon’ny filohan’ny CENI. Etsy an-daniny, rahampitso dia efa hanomboka ny fampiofanana ireo mpanara-maso ny fifidianana nahazo fankatoavana, hoy hatrany Andrianarisedo Dama, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, taorian’ny fisarihana ny laharan’ireo kandida androany.

Dinika ifampizaram-baovao

Ao anatin’ny fanajana ny mangarahara, izay nolazain’ny CENI ombieny ombieny, dia miantso ny kandida hanendry ny solontenany avy, ny filohan’ny CENI, mba hiara-hivory amin’ity vaomiera ity manomboka izao. Amin’ny alatsinainy 18 septambra izao no hanatanterahana ny fivoriam-be voalohany, miaraka amin’ireo solontenan’ny kandidà, na ilay antsoina hoe : « formation non permanente ». Ankoatra izay dia ny 22 septambra no hanatontosana ny andiany faha-4 amin’ilay dinika ifampizaram-baovao sy ifanakalozan-kevitra momba ny zotram-pifidianana, karakarain’ny CENI, izay anasany hatrany an’ireo kandidà mba hanatrika izany. Amin’io fotoana io no hitondran’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana valin-teny sy fanazavana momba ny rejistry ny mpifidy, izay mbola mahabe fanontaniana, indrindra ny ankolafy fanoherana.

Fifidianana madio

Mandritra io fotoana ifanomezana amin’nyfaha-22 septambra io ihany koa no hiresahana ny momba ny Fahefam-pirenena Momba ny Fandrindrana ny Serasera amin’ny alalan'ny Fampitam-baovao (ANRCM). Mbola tsy misy moa mandrak’ankehitriny ny didim-panjakana mametraka azy io, nefa antoka lehibe ny hijoroany ara-dalàna, mba hikarakarana fifidianana madio sy hiarovana ny zon'ny kandida tsirairay avy hisitraka fifampiseraserana mitovy, tsy misy tombo sy hala. Ankoatra izay dia hasehon’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana mandritra io fotoana io ihany koa ny rindrambaiko fikirakirana ny valim-pifidianana.
Taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy
Ankoatra ireo fampahafantarana ny asa miandry ny CENI ireo dia nampahatsiahy Dama Andrianarisedo, ny amin’ny tokony hanendren’ny kandida tsirairay ny mpitam-bolan’ny fampielezan-keviny, raha toa ka mbola tsy natao izany. Nanamarika ihany koa izy fa zava-dehibe ny hifanomezan-tanana mba hampitomboana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary manana adidy amin’ny fanentanana ny olona rehetra hifidy ny kandida tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires