• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tana Ville
Image
Vaovao

Anosy Avaratra : Zaza menavava nariana tao an-dava-piringa

11/09/2023 16:44 © Moov.Mg

Zaza menavava iray no henon’ny manodidina nitomany tao anatin’ny lava-piringa teny Anosy Avaratra teny, androany. Anisany tompon’antoka tamin’ny fanariana io zaza io reniny, araka ny famotorana natao.

Olon-tsotra niantso ny zandary

Olon-tsotra no niantso sy nanaitra avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny brigade GN Sabotsy Namehana androany, rehefa naheno feona zaza menavava nitomany tao anatin’ny lava-piringa. « Nilaza io olona niantso io fa maheno feon-jaza mitomany avy ao anaty lava-piringa » hoy ny avy eo amin’ny zandarimaria mitantara.
Tonga teny an-toerana avy hatrany, niaraka tamin’ny sefo fokontany sy ny dokotera avy eo amin’ny hopitaly CHRD Anosy Avaratra ny zandary, taorian’ny antso. Hita tao anatin’ilay lava-piringa tokoa ny zaza menavava. Nentina namonjy ny toeram-pitsaboana avy hatrany ilay zaza ary avotra soa am-tsara, araka ny voalazn’ny zandary hatrany.

Tratra ny renin’ilay zaza

Tsy nijanona teo amin’ny fanavotana ilay zaza ny asa fa nitohy. Tsy niandry ela fa avy dia natao ny fanadihadihana sy ny famotorana rehetra vantany vao tsy nisy nahiana ny ain’ilay zaza. Fantatra ihany koa ny renin’ilay zaza taorian’ny famotorana izay natao. Tsy afaka nandà tsy ho renin’ilay zaza moa ity farany satria « mbola tratra tao an-tranony ny ahitra nitoeran’ilay zaza ary ihany koa ireo lamba sy akanjo maro feno ra nampiasainy nandritra ny fiterahany tao an-trano. », hoy ny fampitam-baovao nataon’ny zandary.
Ankoatra ny renin’ilay zaza dia olona telo hafa ihay koa no ahiana ho niray tsikombakomba taminy tamin’izao raharaha izao. Mitohy ny fanadihadhiana, ary mitohy ihany koa ny fitsaboana ilay reny sy ilay zaza amin’izao fotoana izao.
Tsara ny mampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fanariana zaza toa izao, ary mahavoasazy.

Lire la suite

Articles Similaires