• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

COSFA : Mankalaza ny faha-40 taonany

11/09/2023 16:41 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 11 septambra 2023 tetsy amin’ny Kianjan’ny Betongolo ny fankalazana ny faha-40 taon’ny COSFA.

Lanonana notronon’ireo olo-manan-kaja

Androany no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha efapolo taonan’ny COSFA na ny « Club Omnisports des Forces Armées ». Tonga nanome voninahitra ny fotoana, ary nandray anjara mavitrika tamin’ny lanonana ny ministry ny Fiarovam-pirenena, Rakotoarijaona Josoa. Teo ihany koa ireo fianakaviamben’ny ministera izay notarihin’ny Jeneraly Ramasy Heritiana, ny Sekretera Jeneralin’ny ministera sy ny Fianakaviamben’ny Etamazaoro notarihin’ny Jenerealy Sahivelo Lala Monja Delphin, lehiben’ny Etamazaoro jeneraly sy ny maro hafa.
Nanamafy ny ministra, nandritra ny fandrasam-pitenenany fa « Iray tsy mivaky ny Foloalindahy ». Tao anatin’izany fomba fijery izany indrindra no nanatanterahana ireo fifaninana ara-pirahalahiana isan-karazany izay mifanandrify tanteraka amin’ny fankalazana.

Atleta nahavita be tamin’ny lalaon’ny Nosy

Tao anatin’izay efapolo taona izay dia anisany sangany hatrany ny COSFA raha ny resaka fanatanjahan-tena no jerena. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny tontolon’ny baolina kitra. Nandray anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy ihany koa ireo atleta avy ao amin’ny COSFA, ary nitondra vokatra tsara ho an’i Madagasikara.
Medaly volamena 28, medaly volafotsy 14 ary alimo 11, izany hoe medaly 53 be izao no azon’ny COSFA tao nandritra ny herinandro naharetan’ny lalaon’ny Nosy. Nandritra ny lalonana fanokafana androany ihany koa no nanoloran’ny ministry ny Fiarovam-pirenena ny mari-pankasitrahana sy ny fanohanana ho an’ireo atleta ireo.
Tsara ny manamarika fa mbola hisy ireo lalao fifaninana ho karakarainan’ny Fitaleavan’ny Ofisy miaramilan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina eo anivon’ny ministera. Izany no atao dia ny mba hanamafisana ny fifankatiavana eo amin’ny samy atleta. Ho fantatra miandalana kosa ny tohin’ny fandaharam-potoana, ary hanasana ny fandraisan’anjaran’ny daholobe manerana ny Boribori-tany enina izany.

Lire la suite

Articles Similaires