• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us_Embassy_In_Madagascar
Image
Vaovao

Beloha Androy : Lehilahy roa nangalatra sokatra no tratra

11/09/2023 16:33 © Moov.Mg

Nisehoana trangana tsy fanarahan-dàlana amin’ny resaka fitrandrahana antsokosoko indray tany Beloha Androy.

Halatra sokatra

Ny sabotsy 09 septambra 2023 teo no nahatratrarana lehilahy roa niaraka tamin’ny sokatra miisa 201 tao Beloha Androy. Ny 199 tamin’ireo dia efa nesorina ny henany ka maty avokoa. Sokatra roa sisa, araka izany, no avotra. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny CEF Beloha sy ny CEF Ambovombe avy ao amin’ny DREDD Androy, ny TSA na Turtle Survival Alliance, ary ny fokonolona no nahafahana nahatratra ireto olon-dratsy ireto.
Tsy vao sambany moa no nisy trangana fangalarana sokatra antsokosoko toa izao. Vao tsy ela akory izay fa ny faraparan’ny volana aogositra lasa teo no nahatratrarana lehilahy iray nitondra sokatra miisa 10 tao anaty gony. Tra-tehaky ny Cantonnement tao Tsihombe, DREDD Androy ihany koa ny ity farany. Natao ny fanadihadihana ary olona roa hafa no voasambotra tamin’izany. Ny iray tamin’ireo olona telo ireo dia ilay mpaniraka sy tompon-kevitra tamin’izao fangalarana sokatra izao.

Biby arovana

Mateti-pitranga loatra ny halatra sy ny fanondranana antsokosoko ireo kazam-biby arovana eto Madagasikara. Anisan’ireo karazam-biby arovana eto Madagasikara izay lasibatra ny sokatra. Raha tsiahivina dia ahiana ho lany tamingana io biby io noho ireo fihazana sy ireo fanimbana ny toeram-ponenany.
Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny ministera mpiahy sy ireo rantsa-mangaika rehetra. Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’izany ady amin’ny fitrandrahana antsokosoko izany ny vondron’olona ifotony. Miompana indrindra amin’ny fanentanana sy ny fitsirihana, ny fomba fiady entin’ireo vondron’olona ifotony ireo. Ampahafantarina ny olona, araka izany, fa anisan’ireo karazam-biby voaaro ny sokatra, ary voararan’ny lalàna ny fitrandrahana, ny fivarotana ary ny fanondranana azy. Tsara ihany koa ny manantitra fa tsy azo atao ny miompy azy ireny ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires