• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chasse Info
Image
Vaovao

Filaharan’ireo kandida amin’ny biletà tokana : Fantatra androany

11/09/2023 11:46 © Moov.Mg

Tanteraka androany maraina ny fisarihana ny laharana ofisialin’ireo kandida 13 ao anaty biletà tokana, izay hampiasaina mandritra ny fifidianana filoham-pirenena handraisan’ny Malagasy anjara amin’ny volana novambra ho avy io. Teny amin’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) eny Alarobia no nanaovana izany, natrehan’ireo kandida, na ny solontenany.

Mangarahara

Nialohavan’ireo dingana maro, izay nentin’ny CENI nanamarina ny maha-mangarahara ny asa ataony rehetra, ny fisarihana. Tao anatin’izany ny fanamarinana ireo kibolabola nosarihina sy ny vata mangarahara nametrahana izany. Natrehana vadin-tany niisa 3 rahateo ity fisarihana ity, izay nanara-maso ny fizotrany sy nandrakitra an-tsoratra ihany koa ny vokatra ôfisialin’ny fisarihana natao. Ireo kandidà tsirairay mihitsy, na ny solontenany, no nisarika izay ho laharany.

Ireto avy ary ny laharan’ireo kandida, araka ny vokatry ny fisarihana natao :
1# Razafinjoelina Tahiana
2# Andrianainarivelo Hajo Herivelona
3# Rajoelina Andry Nirina
4# Ratsiraka Iarovana Rolland
5# Ravalomanana Marc
6# Paraina Auguste Richard
7# Raobelina Andriamalala Andry Tsiverizo
8# Razafintsiandrofa Jean Brunelle
9# Ratsirahonana Lalaina Herilanto
10# Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial
11# Raderanirina Sendrison Daniela
12# Ratsietison Jean-Jacques Jedidia
13# Randrianasoloniaiko Siteny Thierry

Afisy sy haino aman-jery

Hanaraka ireo filaharana ireo ihany koa ny fipetraky ny afisin’ireo kandida eny amin’ireo takelaka natokana ho amin’izany, mandritra ny fampielezan-kevitra. Ankoatra izay dia hanaraka ireo filaharana ireo ihany koa ny filaharan’ny fiakaran’izy ireo ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, mandritra ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra. Raha tsiahivina moa dia hanomboka ny 10 ôktôbra ho avy izao ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenana, fifidianana izay hatao ny 9 novambra 2023.


Copyright Image : © CENI

Lire la suite

Articles Similaires