• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Filàn-kevitry ny minisitra : nanao veloma i Andry Rajoelina

09/09/2023 14:15 © Moov.Mg

"Veloma vetivety", izay no teny nentin'ny filoha Andry Rajoelina nanao veloma ireo mpikamban'ny governemanta, rehefa nifarana ny filàn-kevitry ny minisitra notontosaina omaly 8 septambra 2023. Araka izany, ity filàn-kevitry ny minisitra ity no notarihiny farany amin'ny mahafiloham-pirenena malagasy azy, amin'ity fotoam-piasana nahavoafidy azy tamin'ny taona 2018 ity.

Nisaotra ny Praiminisitra sy ny Minisitra

Raha ny fanisana andro tsotsotra, miainga avy amin'ny tetiandrom-pifidianana, izay milaza ny hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 9 novambra 2023, dia androany no tokony hametraka ny taratasy fametraham-pialany i Andry Rajoelina. Ny andininy faha-46 tapany faharoa amin'ny lalàmpanorenan'ny repoblika faha-4 no mamaritra izany. Na teo aza izany ny ahiahy, ny amin'ny mety mbola hitadiavan'i Andry Rajoelina sy ny mpanohana azy fomba hijanonana eo amin'ny fitondrana, dia heverina fa hametraka izay fialany izay izy, ao anatin'ny 24 ora. " Nisaotra manokana ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta sy ireo minisitra ny filoha Andry Rajoelina", hoy ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra. " Nankasitraka azy ireo ny tenany noho ny ezaka nataon'izy ireo amin'ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana ny firenena araka ny vina napetraka".

Talen'ny Kabinetra vaovao

Somary lavalava ihany ity tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra farany natrehan'i Andry Rajoelina ity, satria miisa 7 pejy. Ankoatra ireo vaovao sy fankatoavana maromaro ao, dia nisongadina ihany koa ny didim-panjakana manendry mpiasam-panjakana ambony marobe, izay efa mameno pejy 3. Ny nisongadina indrindra dia ny fanendrena ny Général de Brigade Rasolondraibe Jean-Yves, ho talen'ny Kabinetra vaovao eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika. Izy izany no misolo ny toeran'i Romy Andrianarisoa, izay vao nandalo fitsarana omaly tany Londres, noho izy voarohirohy amin'ny resaka kolikoly sy tsolotra nokasaina hatao tamin'ny orinasa lehibe Gemfields.

Ankoatra ny fametraham-pialan'i Andry Rajoelina dia andrasana androany ihany koa ny famoahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny lisitra ofisialin'ireo kandida hofidiana ho filoham-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires