• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dépêche Informative Taratra
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena 2023 : Miisa 28 ireo kandida

06/09/2023 19:58 © Moov.Mg

Nifarana androany 6 septambra tamin'ny 6 ora hariva ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahana ho fidiana ho filoham-pirenena teny amin'ny HCC Ambohidahy. 28 no isan'ireo kandida, ka 5 amin'ireo no vehivavy.

Ireo nisoratra anarana ho isan'ny ho fidiana

1-Marc Ravalomanana. Antoko politika Tiako i Madagasikara (TIM)
2-Annick Zoary Ratsiraka. Antoko Revolisionera Malagasy (AREMA)
3-Marie Josiane Vololonirina. Mahaleotena
4-Auguste Richard Paraina. Antoko Tsara Tahafina
5-Jean Brunelle Razafitsiandraofa. Antoko Politika Madio (APM)
6-Marie Masy Goulamaly. Andraikitro ny Mampandroso an'i Madagasikara (AMM). Marihana fa nisintona ny filatsahany izy.
7-Noel Abel JEAN. Mahaleotena
8-Julia Mickaelle Rasolofonoroniaina. Andry Fanavotana an'i Madagasikara (AFM)
9-Siteny Thierry Randrianasoloniaiko. PSD sy antoko politika maro
10-Jean Jacques Jedidia Ratsietison. Fahefa-mividy no ilain'ny Malagasy (FMI-Ma)
11-Hajo Andrianainarivelo. Malagasy Miara-miainga (MMM)
12-Sendrison Daniela Raderanirina
13-Tahiana Razafinjoelina
14-Tiana Guy Lachapelle
15-Sylvia Claudette Ranaivojaona
16-Andriatsihety James Rasoamaka
17-Hery Rajaonarimampianina. Hery Vaovao ho an'i Madagasikara (HVM)
18-Andry Raobelina
19-Lalaina Ratsirahonana
20-Roland Ratsiraka
21-James Francklin Rakotomahanina
22-Elias Ralaiarimanana
23-Claude Raharovohatra
24-Andry Rajoelina. Antoko Tanora Gasy Vonona (TGV)
25-Miarintsoa Rasolofotiana
26-Jean Bruno Betsy Andriamanolo. Mahaleotena
27-Roindefo Zafitsimivalo Monja
28-Ephraim Stephanson Randrianambinina

Dingana manaraka

Miditra amin'ny fandinihana ireo antontan-taratasy voaray ny mpikambana eo anivon'ny HCC. Dinihina avokoa ireo taratasy maro : fandoavan-ketra, fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy, sns. Tsy voatery hahazo hilatsaka amin'ny fifidianana ireo nametraka antontan-taratasy rehetra.
Toy izao àry ny fandaharam-potoana manaraka : ny sabotsy 9 septambra no anatanterahana ny famoahana ny lisitr'ireo nahafeno ny fepetra ka hahazo hirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Tanterahina ny alatsinainy 11 septambra kosa ny fisarihana ny laharana entin'ny kandida tsirairay amin'ny bileta tokana.

Hisy korontana ve ?

Ahiana ny hisian'ny korontana raha avoakan'ny HCC fa mahazo milatsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 i Andry Rajoelina. Efa voalazan'ny lalàna mantsy fa ireo mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany no afaka mirotsaka amin'ny fifidianana. Ireo sasantsasany amin'ireo kandida ihany koa dia efa nanao sonia fanambarana iraisana ny amin'ny tsy fanekena ny haha-kandida an'i Andry Rajoelina intsony, noho ity farany mizaka ny zom-pirenena Frantsay.
Etsy ankilany, efa namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa hanamafy ny fitandroana ny fandriampahalemana ato ho ato. Tsy ekena araka izany ny fitangorongoronana sy ny famoriam-bahoaka, indrindra eny amin'ireo faritra be olona.
Andrasana araka izany ny fivoaran'ny toe-draharaha politika eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires