• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Vaovao

Kandida Andry Rajoelina : Mbola hiverina ao Iavoloha !

06/09/2023 17:38 © Moov.Mg

Tafapetraka androany alarobia 6 septambra 2023 tamin'ny 4 ora tolakandro ny antontan-taratasy firotsahan-kofidin'ny filoha Andry Rajoelina. I Michkael Reilly SOLOFONIAINA no solontena (Mandataire) tonga nanatitra izany antotan-taratasy izany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana.

Antontan-taratasy feno no naterin’ity solon-tenan’ny filoham-pirenena ity teny Ambohidahy, izany hoe : tao anatin’izany ny « certificat de nationalité », izay manamarina ny fizakan'i Andry Rajoelina ny zom-pirenena malagasy, raha ny tokony ho izy. Tsy nety nilaza tamin’ny mpanao gazety ny anaran’ny olona nanome izany « certificat de nationalité » izany kosa anefa izy.

Vonon-kandresy

Nandritra izany fotoana izany kosa, ny filoha Andry Rajoelina dia nifamotoana tamin’ireo mpiara-dia aminy tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tao no nanambarany miezinezina ny maha-kandida azy indray, amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena malagasy hotontosaina amin’ny volana novambra izao. Raha ny voalazany dia nisy antony manokana ny nisafidianany ny toerana. Amin’ny maha-lapan’ny fanatanjahantena azy dia midika fandresena sahady izany. « Eto isika no miaraka mandresy sy miaraka manatanteraka nofinofy », hoy izy. Efa nilaza rahateo moa i Andry Rajoelina fa matoa izy mirotsaka dia satria efa mino fa tsy maintsy mandresy.

Vita sedra

Tsy nahasakana an’i Andry Rajoelina tsy ho Kandida, araka izany, ny resa-be momba ny fizakany ny zom-pirenena frantsay. Efa vita sedra rahateo izy, araka ny nambarany. Naverin'ny filoha nampahatsiahivina moa ireo karazana fotodrafitrasa naoriny, tao anatin'izay 5 taona latsaka nitondrany ny firenena izay, araka ny lokalokany hoe : tsy misy distrika ho adino intsony. Fotoana kosa izao, araka ny nolazainy hatrany, hanambarana fa tsy hisy kaominina ho adino intsony. Araka izany dia efa nampanantena ny hanorina fotodrafitrasa maro hafa ny filoham-pirenena, raha tafaverina eo amin'ny toerany.

Hafana tanteraka ny toe-draharaham-pirenena manomboka eto. Miandry ny fanapahan-kevitry ny HCC ny amin'ny lisitra ofisialin'ireo kandida nahafeno ny fepetra ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiany.


Copyright Image : © Actus Mada

Lire la suite

Articles Similaires