• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actu.Fr
Image
Vaovao

Tranom-bokin’ny CUA : Notolorana ny bokin’ny Pr Rabearimanana Gabriel

06/09/2023 14:59 © Moov.Mg

Boky maromaro nosoratan’ny profesora Rabearimanana Gabriel Victor, sy boky tahiriny, no natolotry ny fianakaviany ho an’ny tranomboky monisipaly Analakely. Ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vo­hitra (CUA), Andriantsitohaina Naina, no nandray izany teny an-toerana, niaraka tamin’ny talen’ny kolontsaina sy ny zava-kanto ao anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Mpampianatra sy mpanao pôlitika

Mirakitra haren-saina sy fahalalana maro ireto boky ireto ary inoana fa hahaliana ireo mpamaky mitsidika ny tranom-boky monisipaly. Nanana ny maha-izy azy tokoa mantsy izany Pr Rabearimanana Gabriel izany, izay nodimandry ny taona 2021, raha tsiahivina. Mpampianatra Mpikaroka teny amin'ny Anjerimanontolo izy ary manam-pahaizana momba ny « Géopolitique » sy ny Tantara. Efa Sojabe tao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa mahaolona (FLSH) ihany koa ny tenany. Ankoatra izay dia mpanao pôlitika izy ary efa sekretera Jeneralin'ny Antoko Monima.

Mbola ho avy ny manaraka

Misy asa soratra vokatry ny fikarohana notarihiny sy boky nangoniny tamin’izy mpianatra sy mpampianatra, tamin’ireo natolotra ny tranom-bokin’ny kaominina Antananarivo ireo. Araka ny fantatra dia ampahany ihany amin’ireo boky tahirin’ny ny profesora Rabearimanana Gabriel Victor ireto fanomezana avy amin’ny fianakaviany ireto, fa mbola hisy ny manaraka, aorian’ny fandaminana hataon’izy ireo. Hanampy ireo tahirin-kevitra sy boky maro efa misy ao amin’ny Tranombokin’ny kaominina ireto natolotra omaly ireto.

Lire la suite

Articles Similaires