• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tandapa Tsiloky
Image
Vaovao

Fanafihana teny Fenoarivo : Jiolahy roa lavon’ny zandary

06/09/2023 08:58 © Moov.Mg

Jiolahy roa no lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo Atsimondrano omaly tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana tsy lavitry ny toerana antsoina hoe : “Cassa grande” izy ireo no nisy olona tsara sitrapo nampandre ny mpitandro ny filaminana. Mbola misy roa kosa no karohina, araka ny tatitra avy amin’ny zandarimaram-pirenena.

Mpamerin-keloka

Jiolahy efa mpamerin-keloka ireto voatifitra halina ireto, araka ny tatitra avy amin’ny zandrimariam-pirenena, ary fantatra fa avy any Analavory ny iray amin’ireo lavo ireo. Nisy tamin’izy ireo no efa voarohirohy tamin'ny raharaha famonoana mpivarokena, tamin’ny taona 2019. Afaka noho ny fisalasalana izy, taorian’ny fitanana am-ponja vonjimaika azy tamin’ny taona 2019. Nisy koa no efa voampanga ho nampiantrano dahalo, tamin’ny taona 2022. Tratra tao an-tranony, nandritra izany, ny basy poleta marika CCCP sy bala miisa 5. Notazonina am-ponja nandritra ny 5 volana ity jiolahy ity ary efa tafavoaka no izao tratra nanao fanafihana izao indray.

Voatifitra teo amin’ny fe

Henjana ny fifandonana, raha ny fitantaran’ny zandary, satria basy mitovy hery no nifanandrina. Basy « kalachnikov » mantsy no nampiasain’ireto mpanafika ary mbola mikaroka ny nahazoan’izy ireo izany ny zandarimariam-pirenena. Tratra ihany koa ny « chargeur » feno bala sy ny fitaovam-piadiana hafa nampiasan’ireo mpanafika. Voatifitra teo amin'ny feny moa ny iray amin’ireo jiolahy tafatsoaka. Noho izany dia miantso izay hopitaly na mpitsabo mandray azy, na ihany koa ireo tsara sitrapo mety manam-baovao momba ireto jiolahy ireto ny zandarimaria, mba hampandre ny tobim-paritra Fenoarivo.

Lire la suite

Articles Similaires