• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 - Laharana amin’ny biletà tokana : Ho fantatra amin’ny alatsinainy izao

05/09/2023 21:16 © Moov.Mg

17 hatreto ireo kandida ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Ny alatsinainy 11 septambra izao no hotanterahana ny antsapaka ho an’ny laharana amin’ny bileta tokana.

Efa fandaminana avy ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) ny fotoana amin’ny Alatsinainy, hanatanterahana ny fisarihana. Ireo kandida izay neken’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny maha-aradalàna ny taratasy filatsahan-ko fidiany, no hiatrika izany an-tsapaka izany. Hanaraka ny laharana azon’ny kandidà tsirairay ihany koa ny fisesin’ny fiakaran’izy ireo ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, mandritra ny fampielezan-kevitra, raha ny voalazan’ny filohan’ny CENI, DAMA ANDRIANARISEDO Retaf Arsène.

Kandida 17

Raha tsiahivina dia rahampitso alarobia 6 septambra amin'ny 6 ora hariva ny fara-fandraisan’ny HCC ny antontan-taratasin’ireo maniry ny hilatsaka hofidiana ho filoha-pirenena amin’ity taoa 2023 ity, raha nisokatra kosa izany tamin’ny 23 aogositra lasa teo. Ny 9 septambra izao no tokony hamoaka ny lisitra ofisian’ireo kandida ny HCC, raha ny tetiandro napetraka. Hatramin’ny androany talata maraina dia niisa 15 ireo olona tonga nanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidiany teny amin’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenanana. Sylvia Claudette Ranaivojaona, atolotry ny antoko Malagasy Lavorary – Perfect, no kandida faha-15 tonga nanatona teny Ambohidahy. Ny 5 amin’ireo vonona ny hirotsaka hofidiana ireo izany no vehivavy. Namarana ny fanaterana antontan-taratasy androany 5 septambra i Hery Rajaonarimampianina.

Kôngresy nasiônaly

Mbola andrasana kosa hatreto ny fanambarana hataon’ny filoha ankehitriny, Andry Rajoelina, hahafantarana na mbola ho isan’ireo kandida amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy izy na tsia. Manatanteraka kongresy nasiônaly eny amin’ny CCI Ivato moa ny antoko Tanora Gasy Vonona tarihiny, nanomboka omaly 4 septambra hatramin’ny androany, ka ny tsoa-kevitra hivoaka amin’izany no hamaritra ny tohin’ny lalao. Rahampitso ny tenany no mikasa hanao fanambarana ofisialy, eny amin’ny Palais des Sports Mahamasina.

Lire la suite

Articles Similaires