• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un News
Image
Vaovao

Vondrom-piarahamonina marefo : hisitraka ny tetikasa « Haratonaina » sy « Sandantohitra »

05/09/2023 16:22 © Moov.Mg

Hofaranana amin’ity taona ity ny tetikasa « Haratonaina », izay nahafahana nanohana ankohonana maherin’ny 1.355.000 miparitaka manerana ny faritra 21 eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon’ny FID (Fonds d’intervention pour le développement).

Efa eo am-panomanana ny tetikasa vaovao « Haratonaina » sy « Sandantohitra » kosa ny FID amin’izao, ho fanohizana ny asa fampivoarana efa natomboka. Ny faritra 23 eto Madagasikara no ho voakasik’ity tetikasa eo an-dalam-pamolavolana ity.

Miatrika sy miarina

Ny atao hoe : sandan-tohitra (Résilience) dia ny fahafahan’ny olona iray, na vondrom-piarahamonina iray, miatrika sy miarina aorian’ny voina na dona nahazo azy. Eo ihany koa anefa ny fahaizana miomana amin’ny loza mety hitranga, ny fahaizana manetsika ireo enti-manana samihafa toy ny rafitra, ny fitaovana sy ny harena misy eo am-pela-tanana ary ny fananana toe-tsaina sy fihetsika miabo hatrany, manoloana ny fahavoazana. Ireo vondrom-piarahamonina mahantra sy marefo no tena ianjadian’ny fahasahiranana eo anatrehan’ny dona, toy ny fiakaran’ny vidim-piainana tampoka, ny hamehana ara-pahasalamana, ny loza voajanahary na ny fikorontanan’ny toetrandro.

Miatrika fanamby

Araka izany dia ny hampitomboana ny sandatohitry ny vondrom-piarahamonina marefo indrindra no tanjona amin’ity tetikasa vaovao ity, raha toa ka ny fametrahana ny fototry ny rafitra fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara kosa no niompanan’ny tetikasa « Haratonaina ». Ankoatra izay dia mandray anjara feno amin’ny tetikasa maro isan-karazany, toy ny PADAP (Tetikasa Fambolena maharitra ho an’ny fomba fiasa momba ny tontolo iainana) ihany koa ny FID, hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ankoatra ireo fandaharanasa hafa ho entina manamafy ny sandatohitry ny mpiara-monina tena marefo. Ny vondron’olona manana sandan-tohitra matanjaka kokoa mantsy no afaka miatrika fanamby sy mahavita miezaka mivoatra. Tokantrano maherin’ny 480.000 isa no heverina hisitraka ny ny tetikasa « Haratonaina » sy « Sandantohitra ».

Lire la suite

Articles Similaires