• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Allafrica-Com
Image
Vaovao

Ady amin’ny hain-tany : Iray amin’ireo firenena 4 nahazo ny fanampian’ny PAM i Madagasikara

05/09/2023 13:13 © Moov.Mg

Olona miisa 550.000 no heverina hisitraka ny fanampiana avy amin’ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM).

Izany no atao dia mba ho fanohanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetry ny andro, izay asarotin’ilay tranga ara-toetr’andro El Niño. Firenena efatra aty Afrika atsinanana no mahazo izany fanapiana izany dia i Madagasikara, Mozambika, Zimbaboe ary Lezôtô.

Tranga ara-toetr’andro El Niño

Vola 12,8 tapitrisa dôlara no atolotry ny PAM mba hiarovana ny ain’ny mponina sy hisorohana ny vokatry ny hain-tany, izay inoana sahady fa tsy maintsy hitranga ary hamely mafy. Araka ny nambaran’ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ity dia eo anelanelan’ny volana novambra 2023 hatramin’ny volana janoary 2024 no tena hiantraika mafy be ny El Niño aty amin’ireo firenena voakasika ireo. Raha tsiahivina ity tranga ity dia vokatry ny fiafanan’ny ranomasimbe Pasifika manodidina ny fehin-tany. Rehefa lasa mafana ny ilany atsinanan’ny ranomasimbe Pasifika, raha oharina amin’ny ilany andrefana, dia izay no ilazana fa misy ny El Niño. Misy fiantraikany amin’ny toetr’andro maneran-tany izany fiafanan’ny ranomasina izany.

Tsy fanjariantsakafo lalina

Olona miisa 47,7 tapitrisa no heverina fa mety ho tratran’ny tsy fanjariantsakafo lalina aty Afrika atsinanana sy Afrika afovoany, vokatr’io tranga ara-toetr’andro io. Noho izany indrindra no nahatonga ny Firenena Mikambana hanolotra izao fanampiana izao, izay fanampiana ara-bola betsaka indrindra hatramin’izay niatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay, araka ny fantatra. Lafo lavitra noho io ny sandan’ny tsy fandraisana andraikitra, hoy i Menghestab Haile, talem-paritry ny PAM ho an’i Afrika Atsinanana. Mamatsy vola ny PAM amin’izao tetikasa izao ny firenena Alemana, Norvezy ary ny Vondrona Eoropeanina. Hampiasaina hampitana hafatra fampitandremana ity vola fanampiana ity, hividianana masomboly mahazaka hafanana ihany koa, izay hozaraina amin’ireo mpisitraka, ary koa ho entina mamatsy rano fisotro madio ho an’ny mponina sy ny biby fiompy.

Lire la suite

Articles Similaires