• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtmm
Image
Vaovao

Minisitry ny fitaterana : « Vokatry ny tsy fitandremana ny 90% ny lozam-pifamoivoizana »

11/10/2024 11:59 © Moov

Tsy mitsahatra ny fizarana ireo karazana lozam-pifamoivoizana haparitaka eny amin’ny tambazotran-tserasera. Saika ho isan’andro no ahitana izany. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanambaran’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery dia avy amin’ny tsy fitandremana ny 90% mahatonga azy ireny. Manoloana izany indrindra dia mikaroka hevitra ity Minisitera ity hampihenana izany.

Fampiofanana

Mety samy ahitana izany loza izany avokoa na ny lalam-pirenena na ireo lalana an-tanan-dehibe. Araka izany, raha io antontan’isa io dia mety ny ankamaroan’ny mpamily na aiza na aiza de ahitana izay tsy fitandremana izay avokoa. Araka izany, manomana fiaraha-miasa amin’ny fikambanana sy vondrona mpamily samihafa ny Minisitera hahafahana mampiofana ny mpamily. Ao anatin’izany hiarahana miasa izany ohatra ny Groupement des Concessionnaires Automobiles Malgache (GCAM) sy ireo mivondrona ao amin’ny mpisehatra mikasika ny fitaterana solika sy ny manodidina izany. « Hiaraka hampiofana izy ireo. Tsy maintsy haverina hampahafantarina ny mpamily mantsy ny fitondran-tena tokony hananany eny amin’ny lalana. Hahafahany mitandrina amin’ny fampiasana ny lalana izany », hoy hatrany ny Minisitra. Mitana ny toerana ambony indrindra amin’ny familiana rahateo ny fitandremana ka izany no handraisana azy io ho tena zava-dehibe indrindra ho an’ireo mpamily ireo.
Etsy andaniny anefa dia efa mandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ny famerenana ny aro lozan’ny fifamoivoizana. « Manampy amin’ny fitandremana avokoa ireny fampianarana halefa amin’ny fahitalavitra ireny », hoy hatrany ny Minisitra.

Fanavaozana ny lalàna

Amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana hatrany dia efa manomana sy mametraka paikady vaovao momba ny lalàna indrindra ny lalàn’ny fifamoivoizana ny Ministera. « Alohan’ny hahazoana fahazoan-dalana mamily dia tsy maintsy mandalo dingana maromaro. Ho arahi-maso avokoa rehefa eny amin’ny lalana eny ny dingana narahin’ilay mpamily talohan’ny nahazoany ny fanomezan-dalana », hoy ny Minisitra nanohy ny fanazavany. Mifandray ao anatin’izany ny famolavolana « code de la route » vaovao ary tsy maintsy hanaraka izany ny mpamily rehetra tsy ankanavaka. Voaray ao anatin’izany avokoa araka izany ny mpamily fiara, kodiaran-droa sy ireo mpampiasa lalana samihafa. Iray ny tanjona dia ny hampihena araka izay tratra ny karazana lozam-pifamoivoizana.

Lire la suite

Articles Similaires