• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Peanut App
Image
Reny&Zaza

Ahoana ny fomba atao hampatevina ny volon’ny zazakely ?

14/12/2023 10:06 © Moov.Mg

Anisan’ny toe-javatra mampitaitaina ny reny ny mahita ny volon’ny zazakely manify na sola. Maro noho izany ireo torohevitra heno eny amin’ny fiarahamonina eny, toy ny hoe kakasana ny volon’ny zazakely mba hatevina, mampiasa « produits » mampatevina volo… Inona ny antony mampanify ny volon’ny zazakely ? Inona fomba atao hampatevina izany ?

Ireo antony mampanify ny volon’ny zazakely manify na sola

Manaranaka ny hasolana (sola) sy ny kalitaon’ny volon’ny zazakely, na manify, na matevina, na olioly, na ngita na malama. Tsy avy amin'ny ray aman-drenin'ny zaza ihany fa mety nolovainy tamin'ny razam-be tany aloha tany izany.
Tsy voatery hitovy amin’ny karazam-bolon’ny ray aman-dreny niteraka izany ny volon’ny zazakely fa manahaka ny an’ny olona tany amin’ny razambeny tany. Izay no mahatonga ny zazakely sasany hoe voloina be sady matevim-bolo be vao teraka, ary ny sasany sola be, na koa manify kely sady toa tsy mety maniry mihintsy.

Mila kakasana ve ny volon’ny zaza izay sola na manify mba haniry ?

Araka ny voalaza teo aloha dia manaranaka ny kalitao sy ny hatevin’ny volo. Noho izany tsy tokony misy atahorana ny amin’ny fahasalaman’ny zaza na hoe misy otrikaina tsy ampy ao amin’ny vatany, raha toa ka manify kely na sola ny volony. Ny ankamaroan’ny zaza vao teraka dia zara raha misy volo na sola mihintsy aza. Mihintsana iny volo manify iny afaka volana vitsy ary miova ho volo matevina kokoa. Mila miandry fotoana maharitra vao mitsiry izany volo matevina kokoa izany.
Maro ireo milaza hoe mila kakasana ny volon’ny zazakely mba haniry sy hatevina. Tsy mitombona nefa izany filazana izany satria araka ny efa nazavaina teo dia ny « génétique » no mahatonga ny volon’ny zaza ho manify na hatevina. Tsy tsara kakasana tanteraka ny lohan’ny zaza satria sady manimba ny kalitaon’ny volony izany no mampangatsiaka ny lohany.
Ankoatra izay dia tsara ny manamarika fa noho ny fahasamihafan'ny foton'ny volo dia arakaraky ny kalitaon'ny volon’ny zaza ny fotoana ilainy mba hitsiriana. Ela kokoa ny volo olioly sy ngita vao mihalava sy mihamatevina. Ny volo tsotra kosa vetivety kokoa dia mihalava sy mihamatevina.

Oviana no tokony tapahana ny volon’ny zazakely ?

Raha ny lafiny ara-tsiantifika no resahina dia tsy mila tapahana ny volon'ny zaza na koa kakasana ny lohany alohan’ny mahafeno azy 6 volana. Mihintsana ny volony alohan'io fotoana io ary izay vao miova ho tena ny volony amin'izay.
Ny tena tsara dia miandry hoe feno 1 taona mahery ny zaza, rehefa betsaka kokoa ny volony, izay vao tapahana raha tiana izany. Azo atao kosa nefa ny manapaka ny volon’ny zaza mialoha ny 1 taona raha toa ka hita fa lava loatra manakona ny masony na matevina loatra mampafana azy.

Tsy mila osorana « produits » mampatevina volo ny zazakely

Mazava ho azy fa tsy mila osorana « produits » voalaza fa mampatevina volo ny zazakely. Mbola tsy matoy ary mbola marefo ny hodi-dohan’ny zaza ka saropady. Tandremana tsara tsy hanosotra menaka, na « crème » na hampiasa « shampoing » lazaina fa mampaniry na manatsara ny volon’ny zazakely satria mety hiteraka « allergies » izany na hanimba ny volony.

Lire la suite

Articles Similaires