• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ouest-France
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : torohevitra tsy hijaliana be loatra mandritra ny andro mafana

14/01/2025 12:02 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo fiovana misy amin’ny vatan’ny vehivavy rehefa mitondra vohoka. Mafanafana ny hoditra, mavesatra ny vatana, maloiloy, sempotsempotra tsy avy miaina… Rehefa mafana be ny andro dia vao maika tsy mahazo aina. Ireto manaraka ireo ary misy torohevitra manampy ny bevohoka mba tsy hijaly be loatra mandritra ny andro mafana.

Akanjo maivamaivana no anaovana

Matetika ny bevohoka dia matahotra ny hidiran’ny rivotra ka lasa manana fahazarana manao mafana sy mibonobonoka. Rehefa manao akanjo mafana loatra nefa mandritra ny vaninandro mafana dia lasa mora tsemboka be ka vao maika tsy mahazo aina. Tsara arak’izany raha akanjo maivamaivana no anaovana. Raha azo atao dia akanjo malaladalaka sy tsy « synthétique » no safidiana.

Misotro rano tsara

Mandritra ny fitondrana vohoka dia voatsindrin’ny zaza ao an-kibo ny tatavy ka lasa poritra lava ilay bevohoka. Noho izany dia mety ho kamokamo hisotro rano, indrindra rehefa mivoaka ny trano satria matahotra sao te hipipy matetika any amin’izay toerana aleha. Tena hilaina nefa ny misotro rano betsaka mba hanonerana ny rano be very rehefa poritra lava, mandoa sy tsemboka be iny. Mba ho ampy rano hatrany ary dia atao misy tavoahangy manaraka hatrany sy misotro izany, na ao an-trano, any am-piasana… Rano tsy mangatsiaka be 2 litatra isan’andro no mila sotroin’ny bevohoka.

Mihinana sakafo maivamaivana

Na vao mitsaika ny kibo na efa lehibe dia sakafo maivana sy mora levonina no tokony hoanin’ny bevohoka, indrindra rehefa mafana be iny ny andro. Ny sakafo matavy sy mavesatra tokoa mantsy dia manasarotra ny fandevonan-kanina sady mamizaka ny vatana efa ampijalian’ny hafanana. Voankazo, legioma sy salady madio tsara no tena atao betsaka rehefa misakafo. Tsy adinoina kosa nefa ny mihinana ireo sakafo hafa mitondra ireo otrikaina samihafa ilain’ny vatana.

Fadiana ny mitanin’andro

Mba hiarovan-tena amin’ny hafanana be loatra sy hisorohana ny « masque de grossesse » dia fadiana arak’izay azo atao ny mitanin’andro. Rehefa mivoaka ny trano dia manao satroka miaro tsara ny loha, ny tarehy sy ny tenda, manao « crème solaire », mitondra elo… Isaky ny afaka mamonjy malomaloka dia mijanona kely eo. Tsy mijoro maharitra ela loatra ihany koa fa mila mipetraka rehefa afaka manao izany.

Manao mangatsitsiaka rehefa matory

Alohan’ny hatory dia mila manana fahazarana mandro amin’ny rano matimaty ary somary tobasana rano mangatsiaka kely ny ranjo manao « jambes lourdes ». Ankoatra izay dia atao mangatsitsiaka ny efitrano fatoriana rehefa mafana be ny andro. Sokafana vao maraina ny varavarankely mba hidiran’ny rivotra madio sy mangatsiaka, hidiana ny « rideaux » rehefa mipoaka be ny masoandro…

Lire la suite

Articles Similaires