Zaza voan’ny nendramboalavo : torohevitra hampitoniana ny hidihidy
Marina fa aretina iray tsy dia misy ahiana loatra eo amin’ny zaza sy ny ankizy ny nendramboalavo noho izy vetivety ihany dia sitrana. Mandrapahasitrany kosa nefa dia tena manorisory sy mampijaly ny hidihidy aterany manerana ny vatana. Satria moa tsy azo aokaorina ireo mangidihidy ireo dia ireto ary misy torohevitra manampy hampitoniana izany.
Fantarina ireo bontsibontsina fambaran’ny nendramboalavo
Alohan’ny hanoroana ireo torohevitra hampitoniana ny hidihidy ateraky ny nendramboalavo dia andeha aloha resahana ireo famantarana ireo bontsibontsina fambaran’ity aretina ity. Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny tratra, lamosina sy fitombenana no hisehon’ireo « boutons » ireo voalohany. Avy izy ireo vao miparitaka manerana ny vatana, tarehy sy ny hodi-doha.
Miendrika bontsin-drano kely miloko mena izy ireo ary miteraka hidihidy mila tsy ho zaka alohan’ny hiofahany, hahamainany sy hahafahany tanteraka. Eo ho eo amin’ny herinandro mahery kely eo moa no faharetan’izany matetika. Tsy tsara aokaorina ireo bontsibontsina ireo satria mety haratra sy ho ela kokoa vao sitrana. Ahoana ary ny atao hampitoniana ny hidihidy aterany ?
Ahoana ny hampitoniana ny hidihidin’ireo « boutons de varicelle » ?
Mba hampitoniana ny hidihidin’ny nendramboalavo sy hanampiana ny ankizy kely voan’izany haharitra tsy hihaotra ary dia :
-Hosorana ny fanafody nomen’ny mpitsabo hanafaingana ny fahasitranan’ireo « boutons de varicelle » izy ;
-Fadiana ny mampanao akanjo « synthétiques » azy fa aleo akanjo « coton » na « lin » ihany no ampanaovana azy. Atao malaladalaka ny akanjony mba tsy ho voakasokasoka ireo bontsibontsina ireo ka vao maika hangidihidy ;
-Tsy mampiasa vokatra misy fofona manitra na misy alikaola amin’ny hodiny (savony, lait, shampoing…) ;
-Tapahana tsara ny hohony mba tsy handratra ireo « boutons » raha sendra mihaotra izy ;
-Tsy ampandroina aloha izy mandrapialan’ireo bontsibontsina satria lasa malemy sy sarotra maina kokoa ireto farany rehefa lenan’ny rano ;
-Raha mbola manao taty na « couche » ny zaza voan’ny nendramboalavo dia mila soloina avy hatrany vao maloto izany hisorohana ny « irritation » na « surinfection » an’ireo bontsibontsina fambaran’ny nendramboalavo.
Amin’ny ankapobeny dia mora sitrana ny nendramboalavo rehefa narahana tsara ny toromariky ny mpitsabo. Raha misy kosa ny fahasarotana toy ny fanaviana be, mamoro-nana na sarotra maina ireo bontsibontsina, lasa mikohoka ilay zaza dia mila entina miverina haingana any amin’ny mpitsabo.