• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gynécologie Obstétrique Pratique
Image
Reny&Zaza

Vehivavy avy natao « césarienne » : ireo mila tandremana aorian’ny fiterahana

09/01/2025 15:12 © Moov.Mg

Maro ireo fanontaniana manitikitika ny saina aorian’ny fiterahana, indrindra ireo tera-bao natao « césarienne » na hoe nididy. Anisan’izany ny mikasika ireo zavatra mila tandremana mandritra ny herinandro sy volana vitsy aorian’ny fandidiana. Andeha ary ho resahana eto ireo fitandremana mila ataon’ireo reny tera-bao natao « césarienne ».

Ireo antony mila hitandremana rehefa avy natao « césarienne »

Ny « césarienne » dia fandidiana iray lehibe atao eo amin’ny bevohoka hamoahana ny zaza ao am-bohoka. Araka izany dia mila fotoana maharitra ny fahasitran’ny fery sy hiverenan’ny hain’ny vehivavy avy natao ity fandidiana ity. Mba hampizotra tsara ny fahasitranan’ny fery sy mba hisorohana ny mety ho fahasarotana no antony mila hitandremana aorian’ny « césarienne ».

Ireo zava-dehibe mila fadiana aorian’ny fandidiana

Mandritra ireo herinandro voalohany aorian’ny « césarienne » dia misy ireo zava-dehibe mila fadian’ny vehivavy nididy :
-Ny fampiasana vatana mafy loatra. Anisan’izany ny fibatana zavatra mavesatra, ny fanaovana fanatanjahantena, ny fihetsehana mafy be tampoka….
-Ny fanaovana fihetsika mety mampirirotra ny kibo toy ny fihomehezana be maharitra, fikohafana mafy, constipation… ;
-Ny filonana anaty rano mafana rehefa mandro. Izany hoe ny fandroana anaty « baignoire » amin’ny rano mafana. Tsara kokoa raha mandro (douche) amin’ny rano matimaty mba hisorohana ny « infections » ;
-Ny firaisana ara-nofo ;
-Ny fitondrana fiara. Samy manana ny fotoana hahasitranany ny vatan’ny vehivavy tsirairay ka tsara raha manontany mpitsabo vao miverina mitondra fiara.

Ireo fitandremana fanampina tsara fantatra

Ankoatra ireo zavatra mila fadiana mandritra ireo herinandro voalohany aorian’ny « césarienne » dia misy ihany koa ireo fitandremana fanampy tsara fantatra mba hisorohana ny mety ho fahasarotana amin’ny fery na ny fahasalaman’ny vehivavy avy nididy. Anisan’izany ary ny :
-Fanaraha-maso ny fery. Jerena tsara ireo mety fambaran’ny « infection » toy ny hoe misy mivaramena, mamay, manaintaina na tsiranoka eo amin’ilay fery ;
-Fihinanana tsara ny fanafody nomen’ny mpitsabo. Miantoka ny fahamoran’ny fahasitranan’ny fery sy ny fisorohana ireo « infections » ny fanajana ny toromarika nomen’ny mpitsabo aorian’ny « césarienne », indrindra ny mikasika ny fanafody ;
-Fakana aina tsara. Satria nandany hery betsaka ny vatan’ny vehivavy nandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana dia tena ilainy ny maka aina tsara mba hiverenan’ny hery sy hahasitrana tsara ny fery. Manararaotra matory rehefa matory ny zazakely ;
-Fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Ankoatra ny sakafo be otrikaina mampatanjaka ny vatana dia tsy adinoina ny sakafo be fibra mba hisorohana ny « constipation ».

Lire la suite

Articles Similaires