• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Aretina « toxoplasmose » : tandremo fa mety mahafa-jaza !

12/12/2023 10:18 © Moov.Mg

Aretina mahavoa ny biby, toy ny saka, ondry, kisoa…, ary mety mifindra amin’ny olombelona ny « toxoplasmose ». Mety miteraka fahasamponan’ny zaza ao an-kibo na fahafahan-jaza ny « toxoplasmose » raha mahavoa ny vehivavy bevohoka. Fa inona tokoa moa ny « toxoplasmose » ? Ahoana ny fisehony ary inona ny fitsaboana sy fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe « toxoplasmose » ?

Aretina iray vokatry ny « parasite » antsoina hoe « toxoplasma gondii » ny « toxoplasmose ». Ny biby mampinono no mety voan’izany aretina izany. Mety mifindra amin’ny olombelona ity farany ary ireo marefo ny hery fiarovana sy ny bevohoka no tena andairany. Tsy mifindra amin’ny olombelona samy olombelona ny « toxoplasmose » ary matetika tsy ahitana soritr’aretina. Mety hitera-doza ho an'ireo vehivavy mitondra vohoka (ny zaza ao am-bohoka) nefa ny aretina raha tsy voatsabo ara-dalàna.
Antsoina hoe « toxoplasmose congénital » ilay aretina rehefa mahavoa ny vehivavy mitondra vohoka. Raha toa ka tao alohan’ny vohoka ilay vehivavy no tratr’ilay aretina dia efa mamorona hery fiarovana ny vatany hiadiana amin’ilay « parasite ». Raha toa kosa ka nandritra ny fitondrana vohoka izy no voan’ilay aretina voalohany dia mety mahatonga tsy fahatomombanana amin’ilay zaza ao an-kibo na fahafahan-jaza izany satria tsy ampy ny hery fiarovana ao amin’ny vatany.

Ahoana no fomba ahazoana ny aretina « toxoplasmose » ?

Maro ny fomba mety hifindran’ny aretina « toxoplasmose » amin’ny olombelona :
-Ny fifampikasohana amin’ny tain-tsaka misy ilay « parasite ». Marihina fa ny saka irery ihany no biby afaka mamoaka ny atodin’io « toxoplasma gondii » io anatin’ny malotony. Io atody io no lasa tafihinan’ny olombelona na ny biby hafa ka zary lasa olitra (larves) rehefa tonga ao anaty vatany. Tsy mamindra ny aretina noho izany ny volon-tsaka na ny hiviny.
-Mety mamindra ny « toxoplasmose » amin’ny olombelona ihany koa ny fihinanana hena manta na tsy masaka tsara. Mijanona ao amin’ny nofo na ny henan’ny biby mitondra ilay aretina tokoa mantsy ireo « parasites ». Voakasik’izany ireo karazan-kena toy ny hen’omby, henan-kisoa, hen’ondry, bitro…
-Mahavoa ity aretina ity ihany koa ny fihinanana voankazo sy legioma nitoeran’ny atodin’ireo « Toxoplasma gondii » izay avy amin’ny tany. Raha tsy voasasa tsara ny voankazo sy ny legioma manta dia mitondra ilay « parasites » mahatonga ny « toxoplasmose ».
-Ankoatra izay dia mety mamindra ity aretina ity amin’ny zaza ao an-kibony ihany koa ny vehivavy bevohoka mitondra ilay aretina.

Ireo soritr’aretina ahafantarana ny « toxoplasmose »

Amin’ny ankapobeny dia tsy misy fambara ny aretina « toxoplasmose », indrindra raha mahery tsara ny hery fiarovan’ilay olona tratr’ilay aretina. Mety hisy amin’ireo marary kosa nefa ny ahitana soritr’aretina toy ny hoe :
-Manavy,
-Rera-dava ;
-Marary an-doha ;
-Manakotsako ny hozatra ;
-Farim-peo.
-Raha mihasarotra ilay aretina dia mety mahatonga aretin’ny ati-doha, aretin’ny taovam-pisefoana, aretin’ny maso…

Ahoana ny fisorohana azo atao ?

Mba hisorohana ny aretina « toxoplasmose » dia :
-Hajaina tsara ny fahadiovana. Sasana amin’ny avony hatrany ny tanana mialohan'ny hisakafo sy hikarakarana sakafo ;
-Atao any an-tokontany ny toerana hanaovan'ny saka ny malotony. Ary rehefa avy manolo ny fasika hanaovany maloto dia sasana tsara ny tanana. Raha azo atao dia mampiasa « gants » rehefa hikirakira izany fasika izany ;
-Sasana madio tsara ny voankazo sy legume vao hohanina ;
-Andrahoina masaka tsara hatrany ny hena rehetra ;
-Manao fitiliana ny aretina « toxoplasmose » rehefa mitondra vohoka.

Ny fitsaboana ny aretina « toxoplasmose »

Ny ankamaroan’ny olona tratry ny « toxoplasmose » dia tsy mila fitsaboana satria tsy misy soritr’aretina ary ny hery fiarovana ao amin’ny vatany no miady amin’ny aretina. Raha toa kosa ka mampiseho soritr’aretina ny marary dia entina any amin’ny mpitsabo mba hahazo ny fitsaboana sahaza, toy izany ihany koa ny vehivavy bevohoka.

Lire la suite

Articles Similaires