• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Reny sy zaza : torohevitra mikasika ny orona tsentsina amin’ny zazakely

11/12/2023 13:59 © Moov.Mg

Anisan’ny toe-javatra manenlingelina matetika ny zazakely ny fahatsentsenan’ny orona. Rehefa mbola latsaky ny erin-taona moa ny zaza dia tsy mahay miaina ankoatra ny amin’ny orony. Mila atao madio sy misokatra tsara hatrany izany lalan-drivotra amin’ny zazakely. Inona no antony mahatonga ny orona tsentsina amin’ny zazakely sy ny fomba ahafantarana izany ?

Inona no antony mahatonga ny oron’ny zazakely ho tsentsina ?

Araka ny voalaza teo ambony dia zavatra mateti-pitranga ny orona tsentsina amin’ny zazakely. Amin’ny ankapobeny dia soritr’aretin’ny sery na gripa no mahatonga izany. Aretina vokatry ny viriosy mirongatra rehefa amin’ny vaninandro mangatsiaka moa ireto farany. Raha toa kosa ka tsentsina lava ny oron’ny zaza dia mety voan’ny atao hoe « rhinite allergique » izy, izany hoe misy zavatra tsy zakany toy ny vovoka, rivotra maina loatra ao an-trano… Mila arahi-maso tsara ny zaza amam-bolana satria mety mitarika fahasarotana amin’ny fiainany (difficultés respiratoires) ho azy izany.

Ahoana no ahafantarana fa tsentsina oron’ny zaza kely?

Maro ireo fomba ahafantarana fa tsentsina ny oron’ny zazakely. Raha mbola latsaky ny 3 volana ny zaza dia mbola tsy miaina amin’ny vava. Ka raha tsentsina ny orony dia lasa tsy mety minono izy, malemilemy, tsy mahavita mitomany. Lasa mangana ny molony raha toa ka manomboka sempotra izy ka mila entina avy hatrany any amin’ny tobim-pahasalamana.
Raha efa somary lehibebe ny zaza dia miaina amin’ny vava rehefa tsentsina ny orony. Raha mbola tsy mahay miteny izy dia mety hampiseho fihetsika toy ny hoe tsy misakafo, sorena, mitomany lava. Fambara iray ahafantarana izany ihany koa rehefa mierotra be ilay zaza rehefa matory.

Ahoana ny fomba atao hanalana ny tsentsina amin’ny oron’ny zaza ?

Rehefa tsentsina ny oron’ny zaza dia azo atao ny manala izany amin’ny alalan’ny ranon-tsira. Tsotra ny fanaovana azy. Maka rano mafana 1 vera ary ampiana vovon-tsira fahefan’ny sotrokely. Afangaro tsara mba ho levona ilay sira ary atete kely amin’ny oron’ilay zaza amin’ny alalan’ny vovo, indray mandeha isan’andro.
Raha mbola amam-bolana ny zaza dia tsara raha ireny « sérum physiologique » vidiana eny amin’ny farmasia ireny no ampiasaina anadiovana ny orony. Mampiasa « seringue à bulbe » ary atsifitra indray mandeha isan’andro amin’ny oron’ny zazakely ilay « sérum ».
Ankoatra izay dia tsara ihany koa ny misoroka ny oron’ny zaza tsy ho tsentsina. Ao amin’ny toerana madio tsy misy vovoka ary tsy misy hamandoana ny zaza no tezaina. Diovina matetika amin’ny « sérum physiologique » ny orony rehefa voan’ny sery izy. Mampiasa ireny « humidificateur d’air » ireny raha toa ka maina loatra ny rivotra ao amin’ny efitrano misy azy.

Lire la suite

Articles Similaires