• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pampers
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny fivalanan’ny zazakely

07/12/2023 15:05 © Moov.Mg

Rehefa mbola latsaky ny enim-bolana ny zaza dia matetika mikakà sy mipipy. Toe-javatra voajanahary izany ary tsy tokony misy ahiana. Ahoana kosa nefa no ahafantarana fa mivalana na marary kibo ny zazakely ? Rehefa ahoana no tokony entina any amin’ny mpitsabo izy ?

Inona no atao hoe zaza mivalana na marary kibo ?

Ny fivalanan’ny zaza dia aretina mila fanaraha-maso akaiky satria mety hitera-doza izany raha tsy voaray an-tanana ara-potoana sy ara-dalàna. Maro ny antony mety hampivalana ny zazakely, toy ny fisian’ny mikraoba any anaty lalan-kanina, na koa ny fifohizan’ny nify voalohany.
Misy karazana roa ny fivalanana eo amin’ny zazakely dia ny « fausses diarrhées » sy ny « vraies diarrhées » izany.
Ny « fausses diarrhées » no mateti-pitranga kokoa, ary tsy maharitra. Izy io dia vokatry ny zava-miseho eo amin’ny toe-batan’ny zazakely, toy ny nify mitsiry, tsy fahazakana sakafo, fihinanana sakafo be « fibres » loatra, fihinanana fanafody… Ny fahadisoan’ny fatran’ny solon-dronono anaty « biberon » ihany koa dia mety mitarika « fausses diarrhées ». Raha izany no mitranga dia malemy fotsiny ny « caca » ary tsy manao maloto matetika loatra oharina amin’ny mahazatra ilay zaza.
Ny « vraies diarrhées » kosa dia fivalanana vokatry ny fisian’ny mikraoba any amin’ny lalankanina sy ny tsinay. Izany hoe aretin-kibo mihintsy no mahazo ilay zazakely ary matetika izany dia arahina fandoavana (vomissement) ka mila fitsaboana haingana.

Ireo fambaran’ny fivalanana amin’ny zazakely

Maro ireo fambara ahafantarana fa mivalana ny zaza :
-Manao maloto (mikakà) mihoatra ny mahazatra azy isan’andro izy. Izany hoe raha toa ka intelo manao maloto izy ao anatin’ny ray andro dia mety ho lasa indimy na mihoatra izany rehefa mivalana ;
-Mety halemy na ho ranony tsy tahaky ny mahazatra ary miova loko ihany koa ny malotony, izay mitarika fahamasahan’ny hodim-pitombenany ra toa tsy voasolo sy voadio tsara isaky ny avy mivalana izy ;
-Hoa’ny zaza minono amin-dreniny, dia matetika mavo io « caca » io ary ranony be. Indraindray koa nefa mety hisy voany kely maromaro miaraka aminy. Hoan’ny zaza misotro « biberon » kosa, dia mety ho ventiny sy ranony miaraka izy io. Marihina fa misy fofona mahery tsy toy ny mahazatra avokoa izy ireo.
-Mety harahina fanaviana sy fihenan-danja ny fivalanan’ny zazakely.

Inona no atao raha mivalana ny zazakely ?

Tsara ny manatona mpitsabo raha vao fantatra fa mivalana ny zazakely, indrindra ireo latsaky ny 3 taona. Marihina fa mitarika fahaverezan-drano mahery vaika tokoa io aretina io ka mety hafaty ny zaza raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana.
Mila manantona toeram-pitsaboana na hopitaly farak’izay malaky kosa raha toa ka
-miloko fotsy ranoray ny maloton’ny zaza ;
-mandoa sy mivalana izy ;
-misy rà ny malotony ;
-milo mainty ranoray ny malotony (raha efa mihoatra ny herinandro ny naterahany) ;
-maina hafahafa ny molony sy ny hodiny ;
-hatsatra ny felan-tanany sy ny felan-tongony ;
-kely ny pipi-ny ary miloko mavo matroka.

Lire la suite

Articles Similaires