• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Jeux D'Emma
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny torimason’ny zazakely vao teraka

05/12/2023 16:33 © Moov.Mg

Anisan’ny zavatra miteraka ahiahy eo amin’ny ray aman-dreny ny mahita ny zazakely matory lava. Tokony misy atahorana tokoa ve ny zazakely matory maharitra ? ‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny torimason’ny zaza vao teraka.

Adiny firy no tokony faharetan’ny torimason’ny zazakely ?

Ireo ray aman-dreny vao nahazo zaza voalohany no manana ahiahy rehefa matory maharitra ny zaza menavava. Tsara nefa ny mampahafantatra fa ny matory lava ny zaza vao teraka. Mety maharitra eo amin’ny 20 ora isan’andro eo ny fotoana hatoriana raha hatambatra ny torimasony amin’ny atoandro sy ny alina. Tsy misy tokony atahorana izany ny fatoriana mandritra ny ora maharitra fa salama tsara izy matoa matory lava. Rehefa mitombo volana sy taona ny zaza dia mihena miandalana ny faharetan’ny torimasony.

Ny ora fatorian’ny zazakely vao teraka

Rehefa vao teraka sy mandritry ny volana voalohany aterahany dia mbola tsy mahay manavaka ny andro sy ny alina ny zazakely. Noho izany antony izany dia matory foana izy na andro na alina rehefa salama sy madio ary voky tsara. Matoa izany izy mifoha matetika dia na maloto ny tatiny na izy tsy voky tsara na misy marary ao aminy.

Misy karazany roa ny torimason’ny zazakely

Ny karazan’ny torimason’ny zazakely voalohany dia ilay atao hoe « phase de sommeil agité ». Izany hoe matory izy fa mety somary mihetsika matetika ary mety somary hiovaova ny fomba fiainany (respiration). Indraindray koa mihetsika ny endriny (mitsiky, sns.) ary mety mamoaka feo kely izy.
Ny karazany faharoa dia ny « phase de sommeil calme ». Tsy mihetsika izy ary tony tanteraka, miaina ara-dalàna sy mirindra tsara. Mety misy ihany fihetsehiny kely raha misy zavatra mety hanelingelina ny torimasony, toy ny feo tampoka… fa amin’ny ankapobeny izy dia matory ampahatoniana.
Samy mety hiseo ireo karazana torimason’ny zazakely ireo ao anatin’ny tontolo andro ka tsy misy tokony ahataitra. Raha misy kosa zavatra tena mampanahy dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo zaza na « pédiatre ».

Lire la suite

Articles Similaires