• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Avenir.Net
Image
Reny&Zaza

Zaza manilana: misy tokony atahorana amin’ny fahasalamany ve ?

01/12/2023 10:26 © Moov.Mg

Toe-javatra voajanahary amin’ny zaza menavava ny manilana. Mampitaintaina ihany ary mampametra-panontaniana kosa nefa ny zaza raha manilana matetika be. Andeha ary ho resahana ny mahatonga ny zaza manilana ary ny torohevitra atao manoloana izany. Fantaro ihany koa hoe rehefa inona no tokony hanantona mpitsabo.

Inona no mahatonga ny zaza manilana ?

Atao hoe manilana ny zaza rehefa misy ronono kely miampy rora mivoaka amin’ny vava na amin’ny orony. Mivoaka ho azy moa izany fa tsy mila manao ezaka ary tsy mitony ny zaza rehefa mitranga izany. Ny zaza menavava moa no matetika no manilana. Ny anton’izany dia misy singa kely toy ny « clapet » izay ao amin’ny vavonintsika olombelona ka manakana ny sakafo tsy hiverina hiakatra aty am-bava fa hijanona ao amin’ny vavony.
Eo amin’ny zaza menavava dia mbola tsy matoy ary mbola tsy miasa tsara io « clapet » kely io ka mety hisy ronono tafavoaka miakatra ihany. Satria moa mandranoka ny sakafon’ny zazakely (ronono) dia mora miverina kokoa noho ny ventin-kanina. Etsy andaniny ihany koa moa dia saika midaboka foana ny androm-piainan’ny zaza ka vao maika mora miverina ny ronono.
Tsy hoe voky loatra izany ny zazakely no mahatonga azy manilana fa noho ireo antony voalaza ireo. Antony iray mety mahatonga izany ihany koa ny fisian’ny rivotra ao amin’ny vavony. Raha tsy mahay mitsetsitra nono na « biberon » tokoa mantsy ny zaza dia misy rivotra tafiditra avy eo amin’ny vava. Amin’ny ankapobeny dia mijanona ho azy ilay manilana rehefa manomboka mipetraka sy mitsangana ny zaza, izany hoe manodidina ny 4 volana sy 1 taona.

Aoviana no tokony hanantona mpitsabo raha manilana ny zaza ?

Araka ny voalaza teo aloha dia toe-javatra voajanahary ny manilana eo amin’ny zaza menavava. Tsy tokony misy atahorana izany amin’ny ankapobeny. Mila mandeha dokotera kosa nefa raha mandoa ny zazakely satria mety ho aretina ny mahatonga izany.
Raha mandoa ny zaza menavava dia ronono mifangaro amin’ny rora ihany koa no mivoaka eo amin’ny vava na ny orona. Tsy tony kosa nefa izy rehefa mitranga izany fa toa manao ezaka mamoaka izany sady mitomany. Raha toa ka manilana matetika be ihany koa ny zazakely dia tsara foana ny manantona mpitsabo. Mety hisy fiantraikany amin’ny lanjany tokoa mantsy izany.

Inona no atao manoloana ny zaza manilana ?

Na tsy misy atahorana loatra aza ny zaza manilana dia misy ihany nefa ireo fihetsika azo atao mba tsy hampanilana foana ny zaza sy hiarovana azy tsy hisondrovaka :
-Rehefa avy minono ny zazakely dia trotroina mitsangana ela ela aloha fa tsy avy hatrany dia adaboka. Tsy azo adino ihany koa ny mampandrezatra azy ;
-Atao miorirana izy rehefa matory mba tsy hisondrovaka raha sendra manilana tampoka ;
-Atao somary avo ny ondany mba tsy hampiverina be ny ronono ;
-Tsy teriterena ny kibo sy ny vavoniny. Izany hoe tsy mampiasa bande lamba na akanjo tery loatra.

Lire la suite

Articles Similaires