• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Shutterstock
Image
Reny&Zaza

Fahasalaman’ny zaza : inona no atao rehefa manavy ny zaza ?

30/11/2023 09:32 © Moov.Mg

Ny fiakaran’ny hafanana na ny fanavian’ny zaza dia fomba hiadin’ny hery fiarovana amin’ireo otrikaretina mitady hiditra ao amin’ny vatany. Izay indrindra no mahatonga ny hoe tsy omena fanafody mampihafana hafanana izy vao manavinavy. Rehefa inona ary no atao hoe manavy ny zaza ? Ahoana ny fomba hafantarana izany ary oviana vao afaka omena fanafody ?

Inona no atao hoe manavy ?

Miovaova ny hafanan’ny vatan’ny zaza. Misy moa ny maripana manokana afahana mamantatra ny fiovana misy amin’ny toe-pahasalamany.
-Raha ambanin’ny 36,5°C ny hafanan’ny zaza dia mangatsiaka izy izay ;
-Raha eo anelanelan’ny 36,5°C sy 37,5°C dia antonony ny hafanany ;
-Raha toa ka 37,6 hatramin'ny 38,5°C ny hafanan’ny zaza dia manavy kely azo leferina izy ;
-Rehefa miohatra ny 38,5°C ny zaza vao azo lazaina hoe manavy. Eo izy vao afaka omena fanafody fampidinana hafanana.

Ahoana ny fomba fitsapana ny hafanan’ny zaza ?

Ny fampiasana « thermomètre » no fomba hatokisana indrindra hitsapana ny hafanan’ny zaza. Tsy azo antoka noho izany ny mitsapa amin’ny tanana satria mety hafana ny lohan’ny zaza nefa tsy manavy akory izy. Ilaina ihany koa etsy andaniny ny ahitana ny maripana mazava halalàna hoe efa tokony omena fanafody fampidinana hafanana ve ny zaza sa mbola avela miasa aloha ny hery fiarovany. Tsara kokoa raha « thermomètre à mercure » no ampiasaina. Mety handiso maripana tokoa mantsy ireo karazana « thermomètre à pile » raha toa ka efa ho lany ny « pile ».
Raha tena te hahazo ny valiny marina sy mazava dia atsofoka any amin'ny lava-body ny « thermomètre ». Io no azo antoka indrindra ahitana ny hafanan'ny ao anatin'ny vatan’ny zaza. Azo atao ihany koa nefa ny maka izany maripana izany ao ambany helika. Mila ampiana 0,5°C kosa nefa ny valiny azo amin’izany. Raha toa izany ka 38,4°C no maripana hita dia ampiana 0,5°C izany ary lasa manome 38,9°C.

Ireo famantarana fa tsy zakan’ny zaza ny fanaviana

Tsy tokony mifantoka be loatra amin’ny ahavon’ny maripana ny vatan’ny zaza ny ray aman-dreny fa ny fahazakany izany hafanana no zava-dehibe raha mbola tsy tonga 40°C izany. Mila arahi-maso tsara noho izany ny fihetsiky ny zaza rehefa izy manavy. Ny ahafantarana fa tsy zakany ny fanaviana dia :
-Toy ny tsy tonga saina intsony ny zaza rehefa resahina, na kitihina, na antsoina, na tairina ;
-Miova fotsy hatsatra ny hoditry ny zaza, na mangamanga ny molony na ny tanany sy ny tongony ;
-Lasa mihaina haingana be toy ny misefosefo, na sahirana be miaina.
Raha ny iray amin’ireo tranga ireo, na izy rehetra, no mitranga rehefa manavy ny zaza dia mila manantona mpitsabo ny ankizy (pédiatre) avy avy hatrany.
Raha toa kosa ka zaza latsaky ny 3 volana no manavy (miohatra ny 38,5°C ny hafanany), dia tokony tonga dia manatona « pédiatre » haingana. Raha zaza latsaky ny 1 volana dia any amin’ny « urgences » avy hatrany no mandeha.

Ireo fihetsika atao rehefa manavy ny zaza

Toe-javatra fahita matetika ao anatin’ny fitaizana ny fanavian’ny zaza. Araka ny voalaza teo aloha dia mila jerena amin’ny « thermomètre » ny hafanany ahafahana mamantatra hoe efa azo omena fanafody mampidina hafanana sa mbola. Raha mbola ambany ny maripana dia misy ireo fihetsika azo atao manampy amin’ny fampidinana izany sy hisorohana ny fiakarany :
Tandremana tsara mba tsy atao mafana be ny zaza manavy satria vao maika hiakatra ny hafanany. Hanesorana tsikelikely ny akanjony mba hampangatsiatsiaka azy tsikelikely. Tsy azo atao miborina tampoka ny zaza manavy manjary mampisy « choc thermique ». Izany hoe raha mafana be ilay zaza dia lasa hangatsiaka be tampoka ka mety hampikaikona ny lalan-dràny izany ary mety hasafotra na hafaty azy mihintsy. Mazava ho azy fa tsy azo ampandroina amin’ny rano mangatsiaka ihany koa.
Azo atao peta-glasy izy mba hampiafana ny hafanany. Maka lamba madio dia lemana rano mangatsiaka. Fihazana tsara ilay rano dia iny no apetaka ny handriny, ny helika, ny elakelam-pe. Rehefa mihamafana ilay lamba dia averina lemana indray.

Lire la suite

Articles Similaires