• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Reny&Zaza

Fahasalaman’ny zaza : fantaro ny aretina tsitongandronono na « otite »

27/11/2023 14:34 © Moov.Mg

Mitomany lava sy manavy ve ny zanakao ? Misy nana mivoaka eo amin’ny sofiny ? Mety ho aretina tsitongandronono na « otite » no mahazo azy. Azo tsaboina tsara izany aretina izany. Mety ho lasa marenina kosa nefa ny zaza voan’izany raha tsy mahazo ny fitsaboana ilaina. Fa inona no atao hoe tsitongandronono ? Inona ny fitsaboana sy ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina tsitongandronono na « otite » ?

Anisan’ireo aretina mpahazo ny zaza sy ny ankizy ny tsitongandronono na ny « otite » ka ireo latsaky ny 5 taona, indrindra ireo zaza anelanelan’ny 6 volana sy 3 taona no mora voa. Aretina iray miseho ao anatin’ny sofina ny tsitongandronono. Avy amin’ny bakteria na avy amin’ny viriosy no mahatonga azy.
Raha ny marina kokoa dia ao amin’ny fantson’ny sofina antsoina hoe « trompe d’Eustache » no miforona ilay aretina. Fohy sy misokatra kokoa ny « trompe d’Eustache » ny zaza sy ny ankizy raha oharina amin’ny an’ny olon-dehibe. Noho izany dia mora hidiran’ny bakteria sy ny viriosy. Rehefa tafiditra ao ireto farany dia miparitaka ao anatin’ny sofina ka mahatonga ilay aretina. Marihana moa fa tsy mifindra ary azo sitranina ny « otite ».

Inona ny antony mahatonga ny tsitongandronono ?

Araka ny efa voalaza teo dia avy amin’ny bakteria na viriosy tafiditra ao anatin’ny fantsona iray ao amin’ny sofina « trompe d’Eustache » no mahatonga ny tsitongandronono. Ny antony matetika mitarika izany moa dia ny sery na ny gripa. Avy any amin’ny orona no miainga ny otrik’aretina ary lasa mahazo ny tsiranoka ao amin’ny « trompe d’Eustache » ary avy eo lasa miparitaka ao anatin’ny sofina. Izany indrindra no mahatonga ny tsitongandronono mirongatra be mandritra ny fotoana hiparitahan’ny sery sy ny gripa.
Misy ihany koa ireo anton-javatra mety mahatonga ny zaza sy ny ankizy ho mora tratry ny « otite ». Mety ho voan’izany aretina izany ny zaza tsy nampinonoan’ny reniny fa nihinana solon-dronono. Ny rononon-dreny tokoa dia mitondra otrikaina mampitombo ny hery fiarovana amin’ny vatan’ny zaza ka manampy azy hiady amin’ny otrik’aretina samihafa. Ny fifohana sigara matetika eo akaikin’ny zaza sy ny ankizy ihany koa dia mety mahatonga tsitongandronono ho an’ireto farany.

Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina « otite » ?

Maro ireo soritr’aretina mampiseho fa voan’ny tsitongandronono na « otite » ny zaza na ny ankizy iray. Anisan’ireo fambara ahafantarana izany ny hoe :
-Sorena ilay zaza satria marary azy ilay sofina ;
-Kitihany na sintominy matetika io sofina io ;
-Manavy izy ;
-Misy tsiranoka na nana mivoaka ao amin’ny sofiny ;
-Tsy mazoto homana na tsy mazoto minono raha mbola minono.

Inona no fitsaboana atao ?

Raha ahitana ny iray na maromaro amin’ireo soritr’aretina ireo ny zaza na ny ankizy dia mila entina any amin’ny mpitsabo mba ho zahana hoe « otite » tokoa ve no mahazo azy sa aretina hafa. Raha tsitongandronono no mahazo azy dia mety ho sitrana ho azy izany ao anatin’ny roa andro (ho an’ny ankizy eo anelanelan’ny 6 taona sy 3 taona). Mampiditra fanafody mitsabo ny aretina sy mampihena ny fanaintainana kosa nefa ny mpitsabo raha hita fa tsy sitrana na mihombo ny aretina ao anatin’ny roa andro.

Inona no fisorohana ny tsitongandronono ?

Maro ireo fitandremana azo atao mba hisorohana ny zaza sy ny ankizy tsy ho voan’ny tsitongandronono :
-Mampinono ny zazakely mba hampatanjaka ny hery fiarovany ;
-Diovina tsara ny oron’ny zaza sy ny ankizy rehefa voan’ny sery na voan’ny gripa ;
-Manantona mpitsabo mba hitsaboana ny gripa mba tsy hiombo ny aretina ;
-Tsy mifoka sigara eo akaiky ny zaza na ao anaty trano ;
-Ampanaovina vaksiny fanefitry ny gripa ny zaza sy ny ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires