• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dermomedicalcenter
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : Ireo tsara fantatra mikasika ny « masque de grossesse »

22/11/2023 10:25 © Moov.Mg

Anisan’ny toe-javatra fahita amin’ny vehivavy bevohoka ny « masque de grossesse ». Manimba ny endriky ny tava ary mampiferotr’aina an’ireo sendra izany tokoa izy ireny. Fa inona tokoa moa izany « masque de grossesse » ? Inona no mahatonga azy ary inona no tokony atao ?

Inona no atao hoe « masque de grossesse » ?

Ny « masque de grossesse » dia tasy miloko matroka volotany eo amin’ny tarehin’ny vehivavy mitondra vohoka. Eo amin’ny tampon-kandrina, orona, takolaka sy ny faritra eo anelanelan’ny orona sy ny molotra no ahitana azy ireny. Miendrika toy ny panda moa izy ireny ary manodidina ny 5% ny behovoka no misy azy. Izany hoe tsy voatery hisy azy ireny avokoa ny bevohoka rehetra. Eo amin’ny fahatelo volana faharoa ny fitondrana vohoka no mipoitra ny « masque de grossesse ».

Inona no antony mahatonga ny « masque de grossesse » ?

Ny fiakaran’ny « hormones » antsoina hoe « oestrogène » sy « progestérone » amin’ny tahany ambony be loatra mandritra ny fitondrana vohoka no antony mahatonga ny « masque de grossesse ». Rehefa mitombo ireo « hormones » ireo dia lasa mamokatra « mélamine », izay manamatroka ny hoditra, bebe kokoa ny vatan’ny vehivavy. Marihana moa fa ankoatra ny « masque de grossesse » dia mety ho lasa matroka ihany koa ny lokon’ny atoka, ny helika, ny lohalika, ny elakelam-pe ary ny lohanon’ny bevohoka.
Mety mampirongatra ny « masque de grossesse » ihany koa ny fidanian’andro matetika sy mandritra ny fotoana maharitra mandritra ny fitondrana vohoka. Antony iray hafa mety mahatonga azy ireny ihany koa ny fototarazo. Izany hoe manaranaka ilay « masque de grossesse » ka raha nisy ny renibe na ny renin’ilay vehivavy dia mety hisy ihany koa izy rehefa bevohoka.

Inona ary no tokony atao ?

Mba hisorohana ny « masque de grossesse » dia mila miaro ny hodi-tava ny vehivavy bevohoka rehefa mitaninandro. Ilain’ny vatana amin’ny fahazoana vitamina D ny taratry ny masoandro. Tsara kosa nefa raha manao satroka sy mampiasa ireny « crème solaire » ireny rehefa mivoaka ny trano. Raha azo atao dia tsy mijanona amin’ny masoandro eo anelanelan’ny 12 ora antoandro hatramin’ny 4 ora hariva.
Ilaina ihany koa ny misotro rano betsaka mba ho ampy rano hatrany ny vatana. Ankoatra izay dia mampiasa « hydratant » mba hanomezana rano ny hoditra eo amin’ny faritry ny kibo sy ny lohanono. Misoroka ny tsatsakoatra ihany koa moa izany. Tsy adinoina etsy andaniny ny manao « gommage » isakan-kerinandro mba ho voakarakara hatrany ny hodi-tava.
Afaka ho azy ny « masque de grossesse » afaka volana vitsy aorian'ny fiterahana. Raha toa ka tsy mety miala izy ireny dia tsara foana manantona « dermatologue » mba ahazoana ny fitsaboana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires