• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Courrier Du Vietnam
Image
Reny&Zaza

Fisorohana ny fiterahana tsy tonga volana

19/11/2023 05:56 © Moov.Mg

Sahirana tokoa ireo ray aman-dreny manan-janaka teraka tsy tonga volana. Mila volabe ny fameloman'aina ny zaza, mandra-pahazony tanjaka hiaina irery. Tsy adino ihany koa fa matetika dia marefo ara-pahasalamana ireny zaza ireny, na miha-lehibe tahaka ny zaza rehetra ihany aza.

37 herinandro no tokony hijanonan'ny zaza ao an-kibo. Antsoina hoe "prématuré" ny zaza raha latsaka alohan'izay. Misy ireo reny teraka manomboka eo amin'ny herinandro faha-28, izany hoe any amin'ny faha-enimbolan'ny kibo any ho any. Raha kely loatra ny zaza, izany hoe latsaky ny iray kilao, dia ahiana tsy ho azo. Ireo zaza teraka eo anelanelan'ny herinandro faha-32 sy faha# 36 no efa matanjaka kokoa, ka mora avotana amin'ny alalan'ny fametrahana azy anaty "couveuse".

Inona no mahatonga ny fiterahana aloha loatra ?

Matetika dia ny faharerahan'ny reny no mahatonga ny fiterahana aloha loatra. Misokatra ny "col" ka mandeha rà ny reny, avy eo dia "miporitsaka" ilay zaza. Misy ihany koa ireo vaky ranon-doha aloha loatra ka voatery avoaka ilay zaza.
Ambaran'ny mpitsabo, fa ankoatra ny "fatigue" dia misy antony maromaro mety hahatonga ny fiterahana aloha loatra :
-Lanjan'ilay reny mitondra vohoka latsaka na tafahoatra loatra ;
-Fanaovana fécondation in vitro (FIV) na fihinanana fanafody misy "hormones" maro, izay natao nampipetrahana ilay zaza tao an-kibo ;
-Fihinanana sakafo tsizarizary na tsy ara-pahasalamana ;
-Taonan'ny reny efa mandroso ;
-Fifohana sigara na fisotroana toaka.
Raha tonga ara-potoana any amin'ny dokotera dia mety ho azo tazomina ao an-kibo ny zaza. Arakaraka ny fizahana atao nefa no handraisana fanapahan-kevitra.

Inona no atao raha misy mampiahiahy ?

Raha misy rano na rà mandeha amin'ny reny mitondra vohoka dia tsara ny manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Ezahina ampatoriana sy tsy hetsiketsehina firy ilay vehivavy mba tsy hampandeha loatra ny rano na rà mivoaka amin'ny fivaviany. Amporisihina ny hanantonana hopitaly lehibe misy toeram-pandidiana mba hisorohana ny fivezivezena raha misy "complications".
Mba tsy hahatonga ny fahaterahana aloha loatra na ny fahafahan-jaza mihitsy aza, tsara ny manaraka ireto toromarika ireto ny reny mitondra vohoka :
Tsy manao vizana loatra, izany hoe ahena ny asa atao, na any am-piasana na ao an-tokantrano ;
Tsy mijoro na mipetraka ela loatra ;
Mihinana sakafo ara-pahasalamana, indrindra legioma sy voankazo ;
Mifady sakafo tsy nandalo afo, indrindra fa ny vokatra azo avy amin'ny ronono sy hena manta (fromage namboarina tamin'ny ronono tsy nangotraka, charcuteries, sushi, sns) ;
Misotro rano 1,5 litatra isan'andro farafahakeliny ;
Misafidy akanjo somary malalaka sy mampahazo aina tsara.

Inona no atao raha teraka tsy tonga volana ny zaza ?

Ilaina ny mampiditra ny zaza anaty "couveuse", mandritra ny fotoana izay tapahin'ny mpitsabo. Manolo ny kibon-dreny io fitaovana io.
Tsy azo lavina kosa nefa fa misy ireo manao "bebe kangourou" noho ny tsy fahafahana mandoha ny vola takian'ny hopitaly. Tsy sarahina amin'ny reniny ny zaza fa fatorana eo an-tratrany mihitsy aza mba hahazo hafanana tsara. Misy ireo mandrehitra takamoa manodidina ny fandriana mba hampafana tsara ny zaza. Mila alalana avy amin'ny mpitsabo nefa izany hahafantarana raha efa matanjaka tsara ny zazakely.

Lire la suite

Articles Similaires