• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nebraska Methodist Health System
Image
Reny&Zaza

Bevohoka mandoa lava : torohevitra hisorohana sy hampitoniana izany

15/11/2023 09:12 © Moov.Mg

Mandalo an’ilay fotoana mandoa sy maloiloy avokoa ny ankamaroan’ny vehivavy bevohoka, indrindra mandritra ny telo volana voalohany hitondrana vohoka. Inona no mahatonga izany ? Ahoana ny fomba atao hampitony ilay mandoa sy maloiloy mahazo ny vehivavy bevohoka ?

Ny antony mahatonga ny vehivavy bevohoka ho mandoa sy maloiloy

Matetika dia fofona sy tsiron-kanina no mitarika ilay te handoa sy ilay maloiloy eo amin’ny vehivavy bevohoka. Ny anton’izany dia mba ho fiarovan’ny vatana ny zazakely sy ny reniny amin’ny poizina na aretina mety azo avy amin’ny sakafo na ny zavatra manodidina. Matoa izany ny vehivavy bevohoka te handoa na maloiloy dia mahatsapa ny vatana fa misy mety hankarary ny zazakely na ny reny ny sakafo hoaniny na ny fofona reny.

Ny fomba atao hisorohana ilay mandoa na maloiloy mandritra ny fitondrana vohoka

Tsy mampahazo aina ary mamizana ny vehivavy bevohoka tokoa ilay mandoa lava sy ilay maloiloy mandritra ny fitondrana vohoka. Misy ireo fomba azo atao hisorohana izany, toy ny :
-Fihinanana hanina isaky ny noana satria ny vavony tsy misy sakafo vao maika mampaloiloy ;
-Tsy fisotroana rano eo am-pisakafoanana. Tsara raha mialoha na rehefa avy misakafo vao misotro rano ;
-Tsy fihinana zavatra marikivy na masiaka noho izy ireny mampamaivay ny vavony ;
-Fiandrasana minitra vitsy aorian’ny fifohazana vao mitsangana eo am-pandriana ;
-Fihinana atody sy ronono noho izy ireny mampitony ny vavony mamaivay ;
-Fisorohana ny fofona mahery toy ny ranomanitra, fofona maimbo, fofon-tsakafo mahery…

Ireo ady gasy atao mba hampitoniana ilay maloiloy sy mandoa rehefa bevohoka

Zavatra voajanahary eo amin’ny vehivavy bevohoka ilay mandoa na maloiloy noho izy ireny fiarovana ataon’ny vatana manoloana ireo zavatra eritreretiny mety hankarary ny reny sy zaza ao am-bohoka. Misy ireo ady gasy azo atao mba hampitoniana azy ireny, toy ny :
-Fihinanana « glace » isaky ny maloiloy. Mahazo aina ny vavony mamaivay rehefa tratr’ilay hatsiaka ka mitony ho azy ilay maloiloy sy te handoa ;
-Fisotroana dite vita amin’ny sakamalaho. Tandremana kosa nefa mba tsy atao mihoatra ny 1 kaopy isan’andro izany dite izany ary tsy atao be loatra ny sakamalaho ampiasaina satria mety mahafa-jaza raha mihoatra ireo fatra ireo ;
-Fisotroana « jus » vita amin’ny « pamplemousse » miampy ranona voasary makirana kely.

Lire la suite

Articles Similaires