• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

Reny sy zaza : ny tsara fantatra mikasika ny sakafon’ny mpampinono

13/11/2023 16:29 © Moov.Mg

Tsy azo mihinana soflera, anana, zava-pisotro misy gaz na mangatsiaka… hono ny mpampinono ? Mahabe nono hono ny totom-boanjo, mampatavy nono hono ny ravitoto… ? Maro ireo honohono mikasika ny safakon’ny mampinono. ‘Ndeha ary ho resahana ireo tsara fantatra mikasika ny sakafon’ny mpampinono.

Misy fiantraikany amin’ny rononon-dreny ve ny sakafon’ny mpampinono ?

Avy amin'ny rà no hanamboaran'ny vatan’ny mpampinono ny rononon-dreny. Tsy misy lalana mampifandray ny vava sy ny nono. Noho izany, tsy misy sakafo na rano tonga dia mandeha any amin'ny nono dieny vao avy natelina izany. Mila kirakirain'ny vatana aloha izy ireny vao miditra ny nono.
Vao voatelin’ny mpampinono ny sakafo na rano dia miditra ny vavoniny. Dia ao izy dia efa miova hafanana raha toa ka « glacé » na nangatsiaka. Avy eo izany levonin'ny vavony sy levonin'ny tsinay. Ny otrikaina rehetra dia aparitaky ny vavony sy tsinay any amin'ny rà. Ary ny rà no mitsinjara izany amin'ny taova rehetra sy ny nono mba hanamboarana rononon-dreny.
Mamokatra rononon-dreny foana ny vatan’ny mpampinono na tsy hisakafo mihitsy sy tsy hisotro rano mihitsy aza izy. Ataon'ny vatany laharam-pahamehana hatrany ny fampinonoana. Ny olana mety hitranga dia lasa harary ilay mpampinono satria tsy ampy sakafo nefa tsy maintsy mamokatra rononon-dreny foana ny vatany.

Mety mankarary kibo ny zazakely minono ve ny sakafon’ny mpampinono ?

Tsy avy amin’ny sakafo hoanin’ny mpampinono no mampisy rivotra ny zazakely minono. Tsy marina ny filazana fa tsy mahazo misotro zava-pisotro mangatsiaka na misy « gaz », tsy mahazo mihinana laisoa, soflera, voamaina… ny mpampinono fa lasa mampisy rivotra sy mamparary kibo ny zazakely ny rononon-dreny. Ny tsy fahamaotian'ny vavony sy ny tsinain'ny zaza no antony mahatonga azy hanilana sy ampijalian’ny rivotra. Tandremana kosa nefa ny sakafo mety mahatonga « allergies », toy ny sakafo fantatra ho misy « allergènes ». Anisan’izany ny hazan-dranomasina, ny sokolà, ny voanjo…

Mila misakafo betsaka kokoa ve ny mpampinono ?

Tsy ny fatran’ny sakafo na ny rano hoanin’ny mpampinono no mampiakatra ny nono. Tsy mitombona noho izany ny hoe mila misakafo betsaka kokoa ny reny mampinono manjary tsy ampy nono ny zaza. Ny fahasalaman'ny mpampinono ihany no tsinjovina amin'ny sakafony fa tsy hoe ny fatra ilain’ny zaza minono na ny fahasalaman’ity farany. Ny fihinanana sakafo manankarena otrikaina sy voalanjalanja no ilaina. Tafiditra ao anatin’izany ny voankazo sy ny legioma, ny hena, ny vokatra azo avy amin’ny ronono, ny trondro, ny atody…

Lire la suite

Articles Similaires