• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © E-Sante.Fr
Image
Reny&Zaza

‘Ndeha ho fantarina ny mahakasika ny « grossesse nerveuse »

02/11/2023 14:37 © Moov.Mg

Mahavariana tokoa ny sain’olombelona. Hainy ny mandà vohoka tsy nampoizina (déni de grossesse), ary hainy ihany koa ny mamorona vohoka tsy misy na ilay atao hoe « grossesse nerveuse ». Fa inona tokoa no atao hoe « grossesse nerveuse » ? Ahoana ny fomba fisehony ? Inona no antony mety mahatonga izany ?

Inona no atao hoe « grossesse nerveuse » ?

Ny « grossesse nerveuse » dia famaritana ny vehivavy iray izay mihevitra ny tenany fa mitoe-jaza. Izany hoe mihevitra mafy ny sainy hoe bevohoka izy ka lasa mamorona ireo fambaran’ny fitondrana vohoka mahazatra ny vatany. Raha ny marina nefa dia fikorontanana ao amin’ny sainy no mahatonga izany fiheverana sy fahatsapana hoe mitoe-jaza izany. Matetika moa dia tonga saina ihany ilay vehivavy eo amin’ny faha telo volana aorian’ny fiantombohan’ilay « grossesse nerveuse » satria tsy mitombo intsony ny kibony. Marihana moa fa tsy hitan’ny « test de grossesse » ny « grossesse nerveuse » noho ilay vehivavy tsy tena mitoe-jaza.

Ahoana ny fomba fisehon’ny « grossesse nerveuse » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia miseho amin'ny ilay vehivavy manao « grossesse nerveuse » avokoa ireo fambara ahafantarana vehivavy bevohoka:
-Tsy mandeha ny fadimbolana ;
-Mihangeza ;
-Maloiloy ;
-Mandoa ;
-Mibontsina mihalehibe tampoka ny kibo ;
-Rera-dava
-Marary ny nono ary mety hamoka ranombatsiny mihitsy aza.

Inona avy ireo antony mahatonga ny grossesse nerveuse?

Maro tokoa ireo antony mety mahatonga ny « grossesse nerveuse ». Amin’ny ankapobeny nefa dia avy ao amin’ny saina no antony lehibe mahatonga izany. Anisan’izany ny :
-Faniriana ny hitoe-jaza mafy nefa tsy mety mitoe-jaza na misy olana samihafa rehefa manandrana mametraka ka lasa foronin'ny saina ilay vohoka. Matetika moa rehefa avy afa-jaza, avy nanao zaza an-tsosokoditra na koa avy nanala zaza dia manenina ny vehivavy no manao « grossesse nerveuse ». Izany hoe ny vehivavy kivy noho ny tsy fahatanterahan'ny nofinofiny ho bevohoka no tena iharan'ny « grossesse nerveuse ». Ao ihany koa ny vehivavy tsy mbola vonona ny hanaiky ny sainy hoe momba izy (tsy miteraka).
-Misy ihany koa vehivavy sasany matahotra mafy ny ho bevohoka. Anisan’ireny ny mpianatra matahotra ny hitondra vohoka noho ny tahotra ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina, ka vao tara kely ny fadimbolana dia mihevitra fa mitoe-jaza.
-Mety mahatonga ny « grossesse nerveuse » ihany koa ny fivontosan'ny « ovaire » ka mamaoka ireo « hormone » amin'ny vehivavy bevohoka. Ny « hormone » izany no mitarika ireo fambaran’ny fitondrana vohoka hiseho.

Ahoana ny fomba ampitsaharana ny « grossesse nerveuse » ?

Ny fanaovana « test de grossesse » na ny fitiliana ny rà ary ny fanaovana « échographie » ihany no fomba iray entina hampitsaharana ny « grossesse nerveuse ». Vao fantatr'ilay vehivavy hoe tsy mitondra vohoka izy, dia mijanona daholo ny fambara rehetra, mandeha ny fadimbolana, ary mihena ny kibony. Tsy adinoina ihany koa ny fanohanana ara-tsaina azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires