• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parents
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo fambara ahafantarana fa efa akaiky ho teraka

30/10/2023 10:54 © Moov.Mg

Tsy fantatra mazava ny daty ahaterahan’ny vehivavy bevohoka fa tombana ihany no azo atao. Rehefa manakaiky kosa nefa izany fotoana izany dia misy ihany ireo fambara azo ahafantaran’ny vehivavy mitondra vohoka fa efa akaiky ho teraka izy. Inona avokoa ary izany fambara izany ?

Ireo fambara rehefa herinandro vitsy alohan’ny fotoana iterahana

Rehefa herinandro vitsy alohan’ny hiterahana dia efa misy fambara vitsivitsy miseho amin’ny vehivavy mitondra vohoka. Arak’izany dia mbola tsy ho teraka izany ilay bevohoka fa efa tokony hiomankomana ihany satria efa manakaiky ny andro iterahana.
-Mahatsapa misy manaikitra kely indraindray ao amin’ny kibo ;
-Miha ambany ny kibo hita avy ety ivelany ;
-Manomboka tsy maita tory intsony ;
-Mivonto ny tongotra ;
-Tsapa mavesatra ny kibo ;
-Mivalan-drano matetika be nefa kely fotsiny no mivoka ;
-Mavesabesatra ny valahana sy ny lamosina.

Ireo fambara andro vitsy na ora vitsy alohan’ny iterahana

Rehefa tena atomotra ny fotoana iterahana, izany hoe andro na ora vitsy sisa, dia misy fambara hafa miseho eo amin’ny vehivavy mitondra vohoka. Amin’ny ankapobeny moa dia ny fihetsehan-jaza no mitranga sy manamarika ny fiantombohan’ny fiterahan’ny vehivavy. Raha izany no miseho dia :
-Misy tsiranoka madidy mandeha (perte des bouchons muqueux) avy any amin’ny fivaviana ilay vehivavy. Mety ho fotsy na volontany, na mavo ny lokon’izany.
-Manaikitra marary amin’ny kibo, ao amin’ny faritra ambany foitra, ary mamaly ao amin’ny lamosina (Contraction). Miseho mandritra ny 1 minitra eo ho eo izany, mijanona kely ary miverina manaikitra indray, afaka 10 na 15 minitra eo ho eo. Rehefa tena akaiky ny ivoahan’ny zaza dia miha mifanakaiky ny « contractions » ary miha marary.
-Vaky ranondoha na rano madio hoy isika misy rano tsy misy loko (transparente) mitosaka (Perte des eaux). Mila manantona hopitaly avy hatrany rehefa vaky ranondoha. Misy ihany koa vehivavy sasany efa tonga any amin’ny tobi-pahasalamana vao vakiana ny ranondoha.
-Misy rà mivoka

Lire la suite

Articles Similaires