• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Reny&Zaza

Torohevitra mampihena haingana ny kibo rehefa avy teraka

18/10/2023 10:51 © Moov.Mg

Fanirian’ny vehivavy maro ny hiverenan’ny kibony amin’ny laoniny rehefa avy teraka. Mety maharitra ela nefa izany fihenan’ny kibo izany raha tsy mikarakara vatana araka ny tokony ho izy ilay reny tera-bao. Atoro eto ary ireo torohevitra manampy mba hampihena haingana ny kibo rehefa avy teraka.

Kolokoloina tsara ny hoditra mandritra ny fitondrana vohoka

Ny fikolokoloana ny hoditra, indrindra ny eo amin’ny faritry ny kibo, mandritra ny fitondrana vohoka no dingana voalohany manampy amin’ny fampihenana haingana ny kibo rehefa avy teraka. Atao izany fikarakarana izany mba hahatonga ny hoditra malefaka sy « souple » tsara ka mora miverina amin’ny laoniny rehefa teraka soamantsara ilay vehivavy. Tsotra ny fanaovana izany. Osorana menaka diloilo « coco » afangaro amin’ny « beurre de karité » ny hoditra eo amin’ny kibo. Atao isa-maraina na isaky ny alohan’ny atory. Manampy amin’ny fisorohana ny tsatsakoatra ihany koa izany.

Fehezina ny kibo rehefa avy teraka

Fomba iray efa fampiasan’ny reny malagasy efa hatry ny ela ny famehezana ny kibo rehefa avy teraka mba hampiverina haingana izany amin’ny laoniny. Lamba lehibe nahodikodina teo amin’ny kibo moa no fampiasa hatrizay. Ankehitriny efa misy ireo karazana « gaines » izay natokana indrindra amin’ny famehezana ny kibo rehefa avy teraka. Manampy betsaka amin’ny fihenan’ny kibo izy ireny ary voalaza fa manafaingana ny fiverenan’ny taova ao anatin’ny kibon’ilay vehivavy amin’ny laoniny. Tsara hatrany nefa ny maka torohevitra amin’ny rasazy na ny mpitsabo alohan’ny hametahana azy ireny.

Fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana

Mila lanjalanjana hatrany ny sakafo hoanin’ny vehivavy avy teraka. Diso tokoa ny fiheverana hoe rehefa mifana dia ampitomboina be ary atao matsiro sy matavy be ny sakafon’ny reny mampinono satria mihinana ho an’ny olona roa. Ny tokony ho izy dia mila mihinana sakafo ara-pahasalamana sy be otrik’aina amin’ny fatra antonony ilay vehivavy. Tsy adinoina ny misotro rano betsaka sy mihinana voankazo. Mihena haingana ary mora miverina amin’ny laoniny ny kibo avy teraka raha voalanjalanja tsara ny sakafo.

Manao fanatanjahantena

Ilaina ny manao fanatanjahantena rehefa avy teraka mba hampihena haingana ny kibo. Tandremana tsara kosa nefa mba tsy hanomboka izany alohan’ny efa-bolana aorian’ny fiterahana satria mety hampikorontana ny taova ao anaty kibo ny fanaovana fanatanjahantena aloha loatra. Ny tsara dia manontany ny razasy na ny mpitsabo nampiteraka alohan’ny hanombohana izany. Fanatanjahantena tsy mampiasa hery be loatra no hanombohana azy, toy ny fanaovana dia tongotra, ny filomanosana…

Lire la suite

Articles Similaires