• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © I Express Ca
Image
Reny&Zaza

Sakafo : tsy misy fiantraikany amin’ny lokon’ny hoditry ny zaza ao am-bohoka ?

06/10/2023 14:15 © Moov.Mg

Mahafotsy zaza ao an-kibo hono ny misotro ronono betsaka ? Lasa mainty hono ny zaza raha mahery misotro kafe ? Maro ireo finoana voizina eto amintsika mikasika ny fiantraikan’ny sakafo hoanin’ny reny eo amin’ny lokon’ny hoditry ny zaza. Maha fotsy na maha mainty kokoa ny zaza ve ny sakafo hoanin’ny reny bevohoka ?

Inona no mahatonga ny lokon’ny fiodiran’ny zaza ao an-bohoka ?

Samy manana ny fihodirany ny olombelona rehetra eto ambony tany. Misy ny fotsy, ny mainty, ny mavo, ny zarazara… Tsy misy tsara kokoa na ratsy kokoa ny lokon’ny fihodirana. Amin’ny ankapobeny moa dia ny tsy fitovian’ny « pigments » atao hoe « mélanine » ao amin’ny vatan’ny olona no antony voalohany maha samihafa ny lokon’ny fihodirana. Ankoatra ny fanomezana ny lokon’ny hoditra ao amin’ny vatana dia miaro amin’ny fiantrakany ratsin’ny masoandro ny « mélanine ».
Marihana fa miankina betsaka amin’ny atao hoe toetra na endrika « génitique » ny famokaran’ny vatana « mélanine ». Izany hoe mifantsika lalina any anaty sela lalina indrindra any. Ny « gènes » ihany koa dia miantoka ny lokon’ny hoditra, ny endriky ny volo, sokajin-drà, lokon’ny maso, halàvana… Miampita avy any amin’ny ray aman-dreny mankany amin’ny zanaka ny « gènes ». Ka ity farany no mamaritra ny lokon’ny hoditry ny zaza ao am-bohoka.
Misy fotoana mety tsy hitovy ny lokon’ny fiodiran’ny ankizy mpiray tampo. Avy amin’ny fitambaran’ny « gènes », izay misy aman-jatony maro ary mety miovaova, ao amin’ny ray sy reny no antony mety tsy mampitovy izany lokon’ny fihodiran’ny zazany izany. Arak’izany dia tsy fiantraikany amin’ny lokon’ny fihodiran’ny zaza ao an-kibo ny sakafo hoanin’ny vehivavy bevohoka.

Ny tsara fantatra mikasika ny lokon’ny zaza vao teraka

Ny zaza rehetra dia fotsy be avokoa eo am-paterahana noho izy ireny nilona rano ela tao an-kibo sady tsy niseho masoandro. Afaka herinandro vitsivitsy aorian’ny naterahany dia miova miandalana ny lokon’ny hodiny ary mipoitra amin’izay ny tena fihodirany.
Raha te hahalala ny tena ho lokon’ny zaza vao teraka dia jerena ny eo amin’ny faritra manodidina ny hohony, ny ravin-tsofiny sy ny taovam-pananahany. Vao teraka tokoa mantsy ny zaza dia efa mandray ny tena lokon’ny hodiny ireo faritra amin’ny vatany ireo ary tsy miova intsony.
Marina fa tsy miantraika amin’ny lokon’ny hoditry ny zaza ny sakafo hoanin’ny reny bevohoka. Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny hoditra kosa nefa izany. Raha tiana ho malandina sy tsara kokoa ny hoditry ny zaza ao am-bohoka dia tsara raha mihinana : atody, voaloboka, voasary, tamotamo, « amandes », zavoka… ny reny bevohoka.

Lire la suite

Articles Similaires