• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Log
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin'ny voa : 3 000 000 ariary isam-bolana raha kely indrindra no lanin'ny marary iray

17/04/2023 08:49 © Moov.Mg

Vidiana ny segondra iainana ho an'ireo marary voa. Rehefa miharatsy na tsy miasa intsony io taova io dia tena sahirana tokoa ny marary sy ny fianakaviany.

Rehefa tonga amin'ny fahapotehana tanteraka ireo voa miisa roa dia tsy maintsy miroso amin'ny dialyse ny marary iray. Io fomba fitsaboana io dia fanoloana ny asan'ny voa amin'ny alalan'ny fanafody, entina anadiovana ny ra sy itazomana ny fahasalaman'ny taova hafa.

Inona no mahatonga ny aretin'ny voa ?

Ny voa dia taova manana ny asany lehibe sy iankinan'ny taova maro hafa. Izy no miantoka ny fanadiovana ny rà, ka mivarina any amin'ny fivalanan-drano ireo loto rehetra. Rehefa tsy miasa tsara ny voa dia miangona ao anaty ny loto ka mivaingana ho vato. Misy fiantraikany eo amin'ny taova hafa ihany koa raha misy tsy fahatomombanana ny voa.
Ny aretin'ny voa izany dia ny fiangonan'ireo loto tokony hivoaka. Miha-potika ireo taova ka mihena ny asany, ary miafara amin’ny fahasimbana tanteraka mihitsy aza. Amin’ny ankapobeny dia ny tsy fahampian’ny rano amin’ny vatan’olombelona no mahatonga izany. Tsy azo odiana tsy hita ihany koa ny fihinanana sakafo matavy sy be akora simika. Matetika tratran’ny aretin’ny voa ihany koa ny olona misy diabeta sy tosidrà tsy voatsabo.

Inona no fambara fa marary voa ny olona iray ?

Azo heverina fa marary voa ny olona iray raha maneho fambara mampiahiahy roa na telo amin'ireto tanisaina manaraka ireto :
-Fitohanan’ny fivalanan-drano. Ela be vao mahalatsaka pipi na dia efa poritra aza ;
-Havizanana sy tsy fikorontanana eo amin’ny fandevonan-kanina tsy hay hazavaina ;
-Hidihihy amin’ny vatana sy volivoly amin’ny ranjo ;
-Tsy fahatomobanan'ny fiainana ara-pananahana (impuissance sexuelle) ho an'ny lehilahy ;
-Faritra marary sady manindrona avy any amin’ny lamosina, na ambony kelin’ny foto-pe ;
-Fivontosan’ny hodi-maso na ny kitrokely, ary tsikaritra fa toy ny misy rano ny faritra mivonto.
Marihana nefa fa ny fizahan’ny mpitsabo sy ny fitarafana (échographie) no ahafahana manamarina raha tena tratran’ny aretin’ny voa ny olona iray.

Inona ny fitsaboana azo atao ?

Araka ny efa voalaza etsy ambony, ny "dialyse" no fitsaboana entina manolo ny asan'ny voa rehefa tsy miasa intsony io taova voalaza io. Atao in-telo isan-kerinandro izany. Tsara ny mahalala fa mitentina eo ho eo amin'ny 250.000 ariary eo ho eo ny dialyse iray. Mety hiafara amin'ny fahafatesan'ny marary raha tsy arahina antsakany sy andavany ny fitsaboana izay ambaran’ny mpitsabo. Noho ny fahalafosan’ny fitsaboana dia tsy vitsy amin’ireo marary no miezaka mitsabo ny aretina amin’ny alalan’ny akora natoraly. Tsy azo lavina mantsy fa misy ireo manam-pahaizana izay mitsabo amin’ny alalan’ny zava-maniry sy singa natoraly isan-karazany na eto afovoan-tany na any amin’ny faritra.
Raha manana fahafahana ara-bola ny marary dia azo eritreretina ny famindrana voa na transplantation rénale. Any amin'ny firenena indiana no tena malaza mahafehy tsara ny fandidiana sy famindrana ny taova. Tsara ny manamarika fa mianto-tena tanteraka ny marary amin'ny fitaterana, ny fivahinianana sy ny fitsaboana.

Ahoana ny fomba fikarakarana ilay boisson détox ?

Azo atao tsara ny manampy ny voa mba hiverina amin'ny laoniny. Raha te hanala ireo loto rehetra ao anatin'izany taova izany dia azo andramana ny "boisson détox". Ny ilaina amin'izany dia voasary makirana, papay ary frezy. Afangaro amin'ny alalalan'ny mixeur ny papay 100g, ny frezy 50g ary ny voasary makirana iray. Rano mafana no ampiasaina amin'izany. Tatavanina tsara ary sotroina alohan'ny sakafo. Misotro iray vera amin'ny maraina. Toy izany ihany koa ny atoandro sy ny hariva.
Mba ahazoana vokatra tsara, azo atao ihany koa ny mikarakara fanafody natoraly tsotra sy mahomby. Totoina ny tongolo mena mba ahazo ranony. Afangaro amin'ny tantely avy eo ny ranon'ny tongolo. Marihana fa atao mitovy fatra ireo fangaro ireo. Roa sotro isaky ny adiny iray, mandritra ny telo andro eo ho eo ny marary.

Inona ny fisorohana ny aretin’ny voa ?

Tsy mora ny mitsabo ny aretin’ny voa. Tsy vitsy ireo miandry fahafatesana fotsiny. Voafetra mantsy ny isan’ny fitaovana fanaovana dialyse, ka na manam-bola aza ny marary dia mety tsy hahazo toerana. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy azo arahina tsara :
-Tsara raha misotro rano 1,5 hatramin’ny 2 litatra isan’andro ny olon-dehibe maherin’ny 40 kilao. Rano tsotra no sotroina amin’izany. Tsy ao tafiditra amin’io fatra io ireo karazana ranom-boankazo, kafe sy dite ;
-Sakafo madio sy voalanjalanja no ilain’ny vatan’olombelona. Tsara raha mihinana legioma sy voankazo maro isan’andro. Ahena na ajanona tanteraka ny fihinanana sakafo misy fangaro manaitra (excitants/ épices) sy ireo ahitana akora simika tsy mahasalama ;
-Mila matory adiny 7 na 8 isan’alina ny olona iray. Ny tsy fahampian’ny torimaso dia miteraka fikorontanan’ny fiasan’ny taova.
Raha misy marary somary manindrona amin’ny faritry ny kibo sy ny lamosina dia entanina isika hanantona mpitsabo avy hatrany. Fadiana ny manao dokotera tena na manontany torohevitry ny hafa izay manao tombatombana ny amin’ny aretina fotsiny.

Lire la suite

Articles Similaires