Fomba tsotra fanaovana « beignets de chou-fleur » matsiro sy mikarepoka
Isan’ireo legioma mitondra otrikaina maro ny soflera. Maro nefa no tsy tia na mora leo azy io. Ny vahaolana dia ny fikarohana fomba fandrahoana azy maro samihafa mba hiovaova ny tsiro sy endriny haroso. Amin’izao vaninandro ririnina izao dia isan’ny fomba matsiro hikarakarana ny soflera ny « beignets de chou-fleur » : mikarepoka ny ivelany, malefaka ny ao anatiny ! Araho àry ny fanaovana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « beignets de chou-fleur »
-Soflera 1 antonontonony (zarazaraina ho fehezany madinika),
-Menaka,
-Lafarina 150g,
-Lalivay (levure chimique) 1 sotrokely,
-Atody 2,
-Ronono 150 ml,
-Paprika 1 sotrokely,
-Tongolo gasy vovony 1/2 sotrokely,
-Sira sy dipoavatra.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Ampangotrahana anaty vilany lehibe ny rano misy sira. Atsoboka ao ireo soflera efa voatetika madinika ary avela ho masaka mandritra ny 5 hatramin'ny 7 minitra. Tokony ho malemy izy ireo nefa mbola « fermes » tsara (tsy tokony ho potika be). Tatavanina tsara ary avela hangatsitsiaka ambony taratasy mitroka menaka (papier absorbant). Arakaraka ny maha kely ny rano ao aminy no maha mora mifikitra ny paty !
Miditra amin’ny fanaovana ny paty. Afangaro anaty lovia jobo lehibe ny lafarina, ny lalivay, ny paprika, ny tongolo gasy vovony, ny sira sy ny dipoavatra. Kapohana ny atody avy eo arotsaka ao anatin'ilay fangaro. Ampiana ronono tsikelikely sady kapohana mafy ilay paty mba tsy hisy hitambaingana. Tokony hahazo paty malamalama tsara sy matevintevina kely.
Rehefa vita ny paty dia miroso amin’ny fanendasana ny « beignets de chou-fleur ». Afanaina anaty lapoaly ny menaka hanendasana. Atsoboka ao anatin’ilay paty ireo soflera mba ho rakotra tsara. Esorina moramora tsirairay ary arotsaka anaty menaka mafana. Tsy atao be am-bilany mba tsy hampidina ny hafanan’ny menaka. Avela ho mendy mandritra ny 3 na 4 minitra sady avadika rehefa mahazo loko tsara. Loharana ambony « papier absorbant » izay masaka.




