Inona no mahatonga ny ratra sasany ela kokoa vao sitrana ?
Rehefa misy tataka, may na maratra kely amin’ny vatantsika dia matetika isika mihevitra hoe vetivety ihany dia ho sitrana ilay ratra. Marihana nefa fa misy ratra sasany maharitra herinandro na volana vao tena mihatsara. Inona àry no mahatonga izany fahasamihafana izany ? Maro ireo anton-javatra misy fiantraikany amin’ny hafainganan’ny fahasitranan’ny vatana. Araho eto ny santionany amin’izany.
Ny hamafy sy halalin’ny ratra
Tsy mitovy ny ratra rehetra. Raha ohatra kiaka fotsiny ihany dia ny sosona ambony amin’ny hoditra no voakasika ary mety ho sitrana anaty andro vitsivitsy izany. Raha lalina kosa ny ratra, toy ny hoe may mafy, mahazo ny taolana ny ratra na misy taolana tapaka, dia maharitra ela kokoa ny fahasitranana. Ny anton’izany dia satria tsy maintsy manamboatra sosona sela maro ny vatana.
Ny taona
Rehefa mihantitra ny olona dia mihena hafainganan’ny famokaran’ny vatana sela vaovao. Mety hihena ihany koa etsy andaniny ny fivezivezen’ny rà ka tsy tonga tsara any amin’ny faritra misy ratra ny « oxygène » sy otrikaina ilainy amin’ny fanasitranana. Izany no antony mahatonga ny olon-dehibe sy ny zokiolona maharitra kokoa vao sitrana ny ratra raha mihoatra amin’ny ankizy na ny tanora.
Ny tsy fahampian-tsakafo
Mila proteinina, vitamina ary mineraly ny vatana mba hanamboarana ny sela simba vokatry ny ratra na may. Raha tsy ampy vitamina C, « zinc » na proteinina dia mety hihena be ny hafainganan’ny fahasitranana. Manampy betsaka amin’ny fanafainganana ny fahasitranan’ny ratra sy ny may noho izany ny fihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana.
Ny aretina sasany manasarotra ny fahasitranana
Ny aretina toy ny diabeta, olana amin’ny fivezivezen’ny rà, na aretina momba ny hery fiarovana dia mety hampiadana ny fahasitranan’ny ratra sy fery. Ohatra, ny olona misy diabeta dia mety tsy mikorina ara-dalàna ny rà ka tsy tonga amin’ny ratra ny otrikaina ilainy amin’ny fanamboarana ireo sela simba.
Ny otrikaretina
Rehefa voan’ny otrikaretina ny ratra dia tsy maintsy miady amin’ny mikraoba aloha ny vatana vao afaka manamboatra ny sela. Raha misy ratra mena, marary, mivonto na mamoaka nana dia mila jerena malaky any amin’ny mpitsabo. Sady misoroka ny mety ho fahasarotana eo amin’ny ratra izany no manampy amin’ny fanafainganana ny fahasitranana.
Ny sigara
Zavatra iray isan’ny tsy ampoizina na eritreretina ho misy fiantraikany amin’ny fahasitranan’ny ratra sy fery ny sigara. Ny fifohana sigara dia mampihena ny « oxygène » tonga amin’ny sela ary manakorontana ny fivezivezen’ny rà. Noho izany dia lasa miadana kokoa ny fahasitranan’ny ratra eo amin’ny mpifoka sigara ary ambony ny « risques » mety hisian’ny fahasarotana.
Rahoviana no tokony manatona mpitsabo ?
Tokony manatona mpitsabo raha toa ka tsy mihatsara mihitsy ny ratra aorian’ny herinandro maro, raha mitombo ny fanaintainana, raha misy otrikaretina, na raha misy tazo miaraka aminy.




