• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cooking With Dog
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovao « madeleines commerciales » matsiro sy be tombony

12/05/2026 15:16 © Moov.Mg

Maro ny ray aman-dreny misafidy mividy mofomofo atao « goûter » ny mpianatra. Anisan’ireo be mpisafidy ny « madeleine » satria sady tsara tsiro no takatry ny fahefa-mividy. Ho an’ireo maniry hiroso amin’ny fivarotana ity karazana mofomamy ity àry dia atoro eto ny fanaovana « madeleines commerciales » izay sady tsara tsiro no hahazoana tombony tsara.

Ireo akora ilaina raha hanao « madeleines commerciales »

-Lafarina 500g,
-Atody 3,
-Siramamy 150g,
-Sira 1 tsongo,
-Voasary makirana be ranony 1,
-Menaka 100ml na dibera 125g,
-Ronono 250ml,
-Levure chimique 1 fonosana,
-« Zeste de citron » hanomezana hanitra azy.

Ireo dingana tsotra amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 200°C ny lafaoro.
Atao anaty koveta kely ny atody sy sira ary ny siramamy. Kapohana miaraka ho fotsy tsara.
Arotsaka ao ny dibera natsonika na ny mena. Tohizana kapohana hatrany mba hihafotsy.
Alefa manarak’izay ny ronono. Tohizana kapohana tsara hatrany. Raha manana « batteuse » vao maika mety.
Tatavanina amin’ny « tamis » ny lafarina dia atambatra amin’ny levure chimique. Arotsaka tsikelikely anatin’ilay koveta nisy ny fangaro nokarakaraina teo mandrahapahazoana paty malama tsara.
Hosorana menaka ny lasitra fanaovana « madeleines ». Avy eo fafazana lafarina kely mba tsy hiraikitra.
Hiditra amin’ny fandrahoana ny paty. Alohan’ny hampidirana azy ireo anaty lafaoro dia soritana « croix » kely ny tampon’ireo « madeleines » mba hipasaka.
Handrahoina mandritra ny 15-20 minitra eo ho eo amin’ny hafanana 180°C. Jerijerena matetika mba tsy ho may.
Fanamarihana : azo avela mipetraka kely mandritra ny 30 minitra anaty vata fampangatsiahana ny paty alohan’ny handrahoana azy raha tiana somary hibontsina sy hipasaka tsara rehefa masaka.

Lire la suite

Articles Similaires