• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Actus
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny fiantraikan’ny rarintsaina maharitra eo amin’ny vatan’ny vehivavy

11/05/2026 11:44 © Moov.Mg

Efa lasa ampahany amin’ny fiainana andavanandro ny rarintsaina ankehitriny. Asa, raharaha ao an-trano, fitaizana, olana ara-bola… maro ireo lafin-javatra mahatonga ny vehivavy haina ao anatin’ny fanahiana sy havizanana tsy tapaka. Rehefa maharitra ny rarintsaina dia mety hanimba tsikelikely ny fahasalaman’ny vatana. ‘Ndeha ho fantarina eto ny santionany amin’ireo vokadratsin’ny rarintsaina maharitra eo amin’ny vehivavy sy ny torohevitra manampy hiatrehana izany.

Fiantraikan’ny rarintsaina eo amin’ny vatan’ny vehivavy : havizanana tsy mety misinda

Ny havizanana tsy mety misinda no isan’ireo famantarana voalohany amin’ny rarintsaina maharitra. Na dia efa natory tsara aza dia mbola mahatsiaro reraka sy toy ny kely aina kely ny olona sasany. Ny anton’izany dia satria miasa foana ao anatin’ny « fanairana » ny vatana ka mamokatra hormonina toy ny « cortisol ». Izany dia mandreraka tsikelikely ny vatana.
Mba hiadiana amin’io havizanana tsy mety misinda io dia ilaina ny mametraka ora fatoriana voalamina tsara. Tsara ihany koa ny mampihena ny fampiasana efijery alohan’ny hatory. Farany, tsy adinoina ny maka fotoana fohy hialana sasatra manditra ny andro.

Olana amin’ny torimaso

Misy fiantraikany lehibe amin’ny torimaso ny rarintsaina maharitra, indrindra eo amin’ny vehivavy. Mety ho sarotra mahita tory, mifoha matetika amin’ny alina, na mikorontana ny torimaso. Rehefa tsy ampy torimaso nefa ny vatana dia vao mainka mitombo ny rarintsaina sy ny havizanana.
Anisan’ireo torohevitra manampy àry ny fampihenana ny fisotroana kafe amin’ny hariva. Ankoatra izay dia mila mamorona fahazarana mampitony rehefa alohan’ny hatory mba hahamora ny fahazoana torimaso sy torimaso lalina. Mety manampy ihany koa ny fanaovana « méditation ».

Fasimban’ny hoditra sy ny volo

Ny rarintsaina eo amin’ny vehivavy ihany koa dia mety hiseho mivantana amin’ny endritra ivelany. Anisan’izany ny fipoitran’ny mony tampoka, lasa komavoka ny hoditra na koa misy « irritation ». Mety mihitsana be mihoatra ny mahazatra ihany koa ny volo. Ny fiovaovan’ny hormonina ateraky ny rarintsaina no isan’ny antony lehibe mahatonga izany.
Mba hampihena na hamerana ireo fambara ireo dia ilaina ny misotro rano ampy isan’andro. Sakafo mahasalama sy manankarena vitamina no hoanina. Manampy betsaka ny fakana fotoana hialana sasatra sy hanaovana zavatra tiana (fialamboly).

Fanaintainana sy fihenjanan’ny hozatra

Ny rarintsaina maharitra eo amin’ny vehivavy dia mety hiteraka aretin’andoha, fanaintainan’ny lamosina, fihenjanan’ny hatoka sy soroka, ary fanaintainan’ny hozatra. Ny fienjanan’ny vatana matetika rehefa misy adin-tsaina no isan’ny mahatonga izany.
Anisan’ireo torohevitra hisorohana ireo fambara ireo ny fanaovana fanazaran-tena sy fanalefahana vatana isan’andro, ny fandehanana tongotra matetika ary fanaovana otra mampitony.

Fikorontanan’ny hormonina sy fadimbolana

Tena misy fiantraikany amin’ny hormonina vehivavy ny rarintsaina maharitra. Izany dia mety hitarika fikorontanan’ny fadimbolana, fanaintainana mafy mandritra ny fadimbolana, fihenan’ny filàna ara-nofo. Indraindray dia mety hampisy fahasarotana amin’ny fitondrana vohoka.
Mba hiatrehana sy hisorohana izany dia mila tandremana tsara ireo fiovana tsy mahazatra amin’ny fadimbolana. Tsy miandry vizaka be vao mba maka aina. Raha maharitra loatra ny olana dia tsara ny manatona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires