• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Head2Toe
Image
Fahasalamana&Sakafo

Antony tsy ampoizina mahatonga ny aretin’andoha miverimberina

08/05/2026 13:22 © Moov.Mg

Maro ny olona tratran’ny aretin’andoha miverimberina. Mampijaly ary mety hanelingelina ny fiainana andavanandro izany. Ny rarin-tsaina, ny havizanana na ny tsy fahampian-tory matetika no heverina ho antony lehibe mahatonga izany. Misy ihany koa nefa ireo antony miafina sy tsy ampoizina mety mahatonga io fanaintainana io. ‘Ndeha ho fantarina eto ny santionany amin’izany.

Tsy fahampian-drano ao amin’ny vatana (déshydratation)

Betsaka ny olona tsy misotro rano ampy mandritra ny tontolo andro. Na dia tsy fahampian-drano kely aza dia mety hampihena ny « oxygène » tonga any amin’ny atidoha ka hiteraka aretin’andoha maharitra. Matetika izany dia miseho miaraka amin’ny famantarana hafa, toy ny hoe maina ny vava, reraka nefa tsy fantatra ny antony, sahirana mifantoka…

Fipetrahana sy fijoroana tsy mety

Ny fipetrahana ela eo anoloan’ny solosaina na fijerena finday mandritra ny ora maro dia mety hiteraka fihenjanana amin’ny vozona sy soroka. Ireo fihenjanana ireo no mipaka any amin’ny loha ka miteraka aretin’andoha. Ankehitriny dia isan’ny antony mahazatra indrindra mitarika aretin’andoha maharitra ireo voalaza ireo, indrindra ho an’ireo miasa birao na mpianatra.

Olana amin’ny fahitana

Indraindray dia olana kely amin’ny maso ihany no mahatonga ny aretin’andoha miverimberina. Rehefa miasa mafy loatra ny maso mba hahitana tsara, na hamaky soratra, dia reraka ny hozatra manodidina azy ka miteraka fanaintainana eo amin’ny handrina sy fahatsapana fanerena ao amin’ny loha. Mety hampitombo io aretin’andoha io miverimberina io ihany koa ny solomaso tsy mety na ny fijerena efijery ela loatra.

Sakafo sasany mety tsy ahiahiana

Misy sakafo sasany mety hiteraka « migraine » na aretin’andoha amin’ny olona sasany, toy ny :
-sakafo voahodina be ;
-« charcuterie » be « nitrite » ;
-sôkôla amin’ny olona sasany tsy mahazaka ;
-siramamy artifisialy ;
-fromazy efa masaka ela ;
-kafeinina be loatra.

Tsy fahampian-tory… na torimaso be loatra

Ny tsy fahampian-tory ihany koa dia manakorontana ny fiasan’ny « système nerveux » ka mampitombo ny aretin’andoha. Amin’ny olona sasany kosa, ny torimaso be loatra dia mety hitarika « migraine » ihany koa, indrindra amin’ny faran’ny herinandro na andro fialan-tsasatra. Ny fananana ora fatoriana voalamina sy tsy miovaova no tena mety.

Rarintsaina miafina

Tsy voatery hiseho mivantana foana ny rarintsaina. Ny tebiteby maharitra sy ny vesatra ara-tsaina dia mety hitazona ny vatana ho ao anatin’ny fihenjanana mandrakariva. Izany no mahatonga ny hozatra hihenjana ka miteraka aretin’andoha matetika. Misy amin’ireo olona tratran’io aretin’andoha miverimberina vokatry ny rarintsaina io no mahatsapa fa vao mainka marary rehefa avy nandalo fotoana tena nampitebiteby.

Fiovan’ny hormonina

Amin’ny vehivavy maro, ny fiovan’ny hormonina mandritra ny fadimbolana, fitondrana vohoka na « menopause » dia mety hiteraka aretin’andoha miverimberina. Ny fiovaovan’ny hormonina atao hoe « oestrogène » dia misy fiantraikany mivantana amin’ny fiasanan’ny atidoha misahana ny fanaintainana. Matetika dia miseho amin’ny fotoana voafaritra tsara isam-bolana izany.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo ?

Na dia matetika aza tsy mampidi-doza ny aretin’andoha, dia misy ihany ireo tranga mila fitandremana manokana :
-fanaintainana tampoka sy mahery ;
-fahitana na fiteny manjavozavo ;
-tazo miaraka amin’ny aretin’andoha ;
-maloiloy mafy ;
-fanaintainana miha-mitombo ;
-aretin’andoha taorian’ny dona na ratra.
Amin’ireo toe-javatra ireo dia tsara ny manatona mpitsabo na toeram-pitsaboana haingana.

Lire la suite

Articles Similaires