Tsy fanjarian-tsakafo amin’ny olon-dehibe : olana matetika tsy tsikaritra
Matetika ny tsy fanjarian-tsakafo dia ampifandraisina amin’ny ankizy na amin’ny toerana tratry ny mosary. Marihana nefa fa misy ihany koa ny olon-dehibe voakasik’izy io, ary indraindray amin’ny tontolo tsy ampoizina mihintsy. Mandeha mangina sy miandalana izy io ka matetika tsy tsikaritra raha tsy efa miteraka voka-dratsy lehibe. Ilaina arak’izany ny mahafantatra mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny olon-dehibe mba hisorohana sy hitsaboana azy ara-potoana.
Inona no atao hoe tsy fanjarian-tsakafo amin’ny olon-dehibe ?
Tsy midika ho tsy fahampian’ny sakafo hoanina fotsiny ihany ny tsy fanjarian-tsakafo. Izy io dia tsy fifandanjana eo amin’ny filàn’ny vatana sy ny sakafo miditra ao aminy. Amin’ny olon-dehibe dia mety hiseho amin’ny tsy fahampian’ny kaloria, proteinina, na otrikaina ilaina toy ny vitamina sy mineraly izany.
Misy karazany roa lehibe izy io :
-Fahantrana ara-tsakafo (dénutrition) : vokatry ny tsy fahampian’ny sakafo
-Tsy fahampian’otrikaina manokana : rehefa misy otrikaina sasany tsy ampy na dia ampy aza ny habetsahan’ny sakafo
Olana matetika tsy tsikaritra
Tsy voatery ho mahia ny olona iray vao lazaina ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Misy ihany koa olona matavy na ranjanana kanefa tsy ampy ny otrikaina ilain’ny vatany. Izany no isany mahasarotra ny famantarana azy io, indrindra any an-tanàn-dehibe na amin’ny zokiolona. Ankoatra izay dia maro ireo antony mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny olon-dehibe ho tsy tsikaritra :
-Miadana ny fivoaran’ny soritr’aretina,
-Heverina ho zavatra tsotra ny havizanana na ny tsy fahazotoan-komana,
-Tsy ampy ny fitiliana ara-pahasalamana,
-Misy soritr’aretina mitovy amin’ny aretina hafa.
Inona ny antony mety mahatonga azy ?
Maro ny antony mety hiteraka tsy fanjarian-tsakafo amin’ny olon-dehibe :
-Antony ara-pahasalamana : aretina maharitra, olana amin’ny fandevonan-kanina, areti# mifindra, homamiadana,
-Antony ara-tsosialy : fitokana-monina, fahantrana, fahasarotana mahazo sakafo isan-karazany,
-Antony ara-tsaina : fahaketrahana, adin-tsaina, « troubles de l’alimentation »,
-Fahanterana : fihenan’ny fahazotoan-komana, olana amin’ny nify, fahaverezan’ny fahaleovantena (perte de l’autonomie).
Inona no mety ho vokany amin’ny fahasalamana ?
Mampihena tsikelikely ny herin’ny vatana ny tsy fanjarian-tsakafo, ary mety hiteraka :
-Fihenan’ny hozatra sy fahalemena,
-Fihenan’ny hery fiarovan’ny vatana ka mora voan’ny aretina,
-Fahataran’ny fahasitranan’ny ratra,
-Havizanana maharitra,
-Fihenan’ny fahaiza-misaina,
-Fitomboan’ny « risques » hampisy fahasarotana ara-pahasalamana.
Ho an’ny zokiolona dia mety hitarika amin’ny fahaverezan’ny fahaleovantena sy fahasimban’ny fahasalamana haingana izany.
Ahoana no hisorohana sy hamantarana azy ?
Ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny olon-dehibe dia mitaky fitandremana sy fanaraha-maso, indrindra amin’ireo olona marefo.
Ireto misy fepetra azo raisina :
-Fanaraha-maso ny lanja sy ny fahazotoan-komana,
-Fihinanana sakafo voalanjalanja sy isan-karazany,
-Fanentanana hisakafo ara-potoana sy miaraka amin’ny hafa,
-Fakan-kevitra amin’ny mpitsabo raha misy fihenan-danja tsy ara-dalàna,
-Fanaraha-maso ara-tsakafo ho an’ireo olona marefo.
Manana anjara toerana lehibe ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fitiliana mialoha, indrindra mandritra ny fizahana ara-pahasalamana.




