• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Mont Passot : Toerana avo fankafizana ny « Coucher du soleil » ao Nosy-Be

30/07/2024 09:51 © Moov

Takon’ireo tranobe sy ny setroka isankarazany ny hatsaran’ny fodian’ny masoandro eto Antananarivo. Araraotina tokoa ireo dia ivelan’ny renivohitra sady manakaiky ranomasina mba hankafizana ny « coucher du soleil ». Rehefa mitsidika an'i Nosy-Be, aza adino ny mianavaratra makany Mont Passot, any amin'ny kaominina Ambatozavavy.

Mahatalanjona ny maro ny mahita ny masoandro mena midina tsikelikely, miafina ao ambadiky ny rahon’ny lanitra. Amin’ny dimy ora hariva eo ho eo no manomboka miandry ny filentehan’ny masoandro ireo mpitsidika an'i Mont Passot (Bongo Pisa amin'ny teny Malagasy). Anisan’ny toerana be mpitsidika ao Nosy-be izy io. 329 metatra no haavony. Mila miomana izany fa tsy maintsy misy dia an-tongotra amin’ny fiakarambe satria tsy tonga any an-tampony ny fiara na kodiarandroa. Misy karazana « tour » eo ambony tendrombohitra, hahatazanana ny manodidina (vue panoramique 360 degré). Voafetra ny isan’ny olona miakatra amin’izany noho ny fitandrovana ny fotodrafitrasa sy mba ho fifampitsinjovana. Na eny ambany aza moa dia mahita tsara ny filentehan’ny masoandro. Mampiavaka ny fitazanana ny fisian’ny farihikely sy ny sisin’ny Canal de Mozambique. Miisa valo moa ireo farihy manodidina ny Mont Passot. Heverin’ireo mponina ao Nosy-Be fa manankasina ireo farihy (cascade sacrée) voalaza etsy ambony, sady ahitana voay ny ankamaroany.

Mont Passot, misy "circuit" azo isafidianana

Tsara ny manamarika fa andoavam-bola ny Fitsidihana ny Mont Passot. Misy ireo mpivarotra hosodoko miavaka, hanintonana ireo mpitsika, indrindra ireo teratany vahiny. Mialoha ny hankafizana ny filentehan’ny masoandro, azo atao tsara ny “Randonnée” hahatongavana eny ambony eny. Anisan'ny be mpitia ohatra ny fiakarana an'Amparihibe. 6 kilometatra eo ho eo ny lalana, ka mila adiny 5 eo ho eo ny fitsidihana. Eny an-dalana dia mahita zava-maniry maro, ka ao anatin'izany ny Orchidées, ny lavanila, ny kakao ary ny Ylang-Ylang. Mandalo amina farihy miisa roa amin'izany, dia ny "lac sacré d'Amparihibe" sy ny "Lac à l'oeil noir". Misy ihany koa ireo famantarana ny fanjakana Sakalava. Mazava ho azy fa mandalo tanàna vitsivitsy ka afaka mitafatafa amin'ireo Sakalava monina ao.

Raha te hahita voay mitanin'andro, ny "circuit Antsamanavaka" no mahaliana kokoa. Misy ny farihy, ny rano mandeha, ala maitso mavana, ny voninkazo azo atao fanafody sy ny toeram-pambolen-kazo. Misy ihany koa ny "circuit Antsidihy" izay ahitana ny "pont suspendu" sy ireo vorona mahavariana isan-karazany. Tsara ny manamarika fa misy trano fandraisam-bahiny any Mont Passot sy ny manodidina.


Copyright Image : © Le Zahir Lodge

Lire la suite

Articles Similaires